Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h17
 

Répondre à un commentaire

27 avril 2021 à 21:59 | Antony (#9838)

Mba hafa, tena hafa ireto mpanohana tsy misy fepetra ireto. Ary ry zareo ve tsy kivy hoe arakaraka ny itenenany no mandetika azy ary indrindra arakaraka ny itondrany porofo no mahatonga ny marina hipoitra ary ny marina kay tsy azy.
Tsy indray andro no nitenan’i R8 fa vanim-potoana samy hafa.
Ilay amin’ny ankavanana no tany aloha ary ilay amin’ny ankavia no vao haingana.
Ilay « circonstances » re olona a ! Olona tsy dia ampy fianarana no mety ho voafahan-dalitra amin’io !
Tsy mitovy mihitsy izany hoe ao anatin’ny vanim-potoan’ny andrana sy ny hoe efa vita andrana ka ananana ny taha-mpahombiazana...
Ilay fomba fisainanareo mihitsy no ahitana taratra ny fomba fitantananareo an’ilay firenena...
Aminareo, ny mpanohitra no mitondra eto ka mila tsongolohina izay teneniny rehetra...
Ny loza dia ny mpanohitra ny anareo no ifaninanana...
Raha ianareo irery no very any amin’izay alehanareo any, iza no iraharaha anareo fa saingy ilay firenena sy ny vahoaka ao amin’ny sarihinareo hirefarefa hiaraka aminareo any ihany koa tena mahonena... Fa heverinareo manko fa ho moramora ny hanarina izay adalana tsy roa aman-tany ataonareo izao a !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS