Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h56
 

Répondre à un commentaire

2 avril 2021 à 09:45 | Isandra (#7070)

ADY AMIN’NY COVID-19
« Hisorohana ny tranga misy fahasarotana izay mety hitarika hatramin’ny fahafatesana, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manentana hatrany antsika vahoaka sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny anivon’ny fokotany, kaomina, distrika, faritra, fiangonana, fitaterana, toerana fanaovan-danonana, toeram-piasana isan-karazany, handray ireo andraikitra mifanandrify, ary hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana noraisin’ny Fitondram-panjakana amin’izao ady iraisana ataontsika handresena ny valanaretina Covid-19 izao.
Anisan’izany ny fanajàna ireo fepetra sakana, fanasàna tànana matetika amin’ny rano sy savony na amin’ny « Gel désinfectant », ny fanajàna ny elanelana 1m, ny fanaovana arovava-orona na aiza na aiza. Eo ihany koa ny tsy fanaovana fivoriana mihoatra ny 200 olona ary ny fanatonana avy hatrany ireo Tobimpahasalamana fototra raha vao misy tranga mampiahiahy.
Mirary fahasalamana ho antsika rehetra ary mankahery hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy izay manao ny ainy tsy ho zavatra ankehitriny. »

Ministeran’ny fahasalamana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS