Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h02
 

Répondre à un commentaire

2 avril 2021 à 10:44 | Vohitra (#7654)

Zoma maraina ny andro, misy masoandro mahalana ihany fa saingy mandrivotra tokoa ny andro…

Misafotofoto mifamezivezy mifanaritaka ny olona sasany…

Ny etsy mitady oxygène hono, ny atsy mitotototo mitady vola mba hividianana ireo fanafody fanampiny fa tsy misy omena maimaimpoana, ny eroa mbola mivezivezy mijery izay toerampitsaboana hampidirana izay marary, ary iretsy lasa vinany bola mieritreritra hoe inona no antony mahavalaka tampoka sy sempotra ity ao antranony…

Izany no zavamisy ankehitriny…eny andàlana toa maro ireo ambulance mifamoivoy…

Ny hopitaly toa efa tena tsentsina tanteraka hono…

Ary ny mpanao fitiliana toa eny amin’ny hopitaly HJRA sy eny amin’ny village voara ihany no misy azy, fa toa tsy misy mahita sy maheno hoe misy fitiliana eny anivon’ny Fokontany…

Ary ny lakolosy eny amin’ny fiangonana toa tsy mitsahatra maneno mandray ireo atao veloma farany…

Aza mikorapaka fotsiny fa…isika efa miomana handray ny « jeux des îles de l’océan indien 2023 » e !

Oadray ! fa nankaiza ilay nantsoina hoe « kaly tsinjo » e ? Ka ilay mpamorona ny « tsaky pop » taloha nalaina tahaka aza efa lasa ko !

Fa inona ihany ity e ? Efa tantara sisa ilay ramatoa brezilianina nanao ranomasomboay e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS