Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 15h04
 

Répondre à un commentaire

1er avril 2021 à 17:29 | Isandra (#7070)

Toy izao no azo vakiana tao amin’ny pejy ny Ministeran’ny fahasalamana :

"Ankoatran’ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana izay fiarovana azo antoka manoloana ny valan’aretina dia azo atao ihany koa ny manampy ny HERY FIAROVANA amin’ny alalan’ny « 𝗖𝗢𝗩𝗜𝗗𝗢𝗥𝗚𝗔𝗡𝗜𝗖𝗦 𝗖𝗩𝗢 𝗧𝗔𝗠𝗕𝗔𝗩𝗬 » 𝘀𝘆 𝗻𝘆 « 𝗖𝗩𝗢 𝗣𝗹𝘂𝘀 » izay tsy iza fa vokatra Malagasy manome lanja ny raokandro Malagasy.
Nanana ny anjara toerana goavana teo amin’ny fampihenana ny fihanaka ny valanaretina COVID-19 ny « CVO » ary maro ireo tombotsoa ara-pahasalamana hoentiny vokatr’ireo harena hery fiarovana ananany.
Ankehitriny dia manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis hampiasa sy handray ny « CVO » ho isan’ny fanafody ho entina miatrika ny valanaretina COVID-19.
Vokatra ny fanadihadiana natao tamin’ny fotoana nampafana ny firongatr’ity areti-mandoza ity teto amintsika no nahitana fa nanana tombony manokana ireo olona rehetra nampiasa sy nisotro ny CVO mba hiarovany ny tenany.
Izany no nahatonga ny Fikambanam-be iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalamana nametraka fa ho isan’ireo fanafody nentim-paharazana tsara trandrahana ny « CVO » noho izy mety ho fitsaboana ny valanaretina Covid-19."

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS