Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 09h16
 

Répondre à un commentaire

3 août 2020 à 08:29 | lysnorine (#9752)

Re Vohitra 2 août à 11:47 répond à Vohitra ^
« Tsy niandry ela, fa dia izao no VOKANY
TSY mahavoky, TSY mahasalama, TSY maha sambatra, TSY hiadanana ny :
Ø Fisarihina fitiavan-tanindrazana hosoka amin’ny resaka vondronosy
Ø Ny filatroana sy fibikana manambara ny fiainanao sy ny fihetsikao
Ø Ny filazana fa efa nanome baiko an’izao sy izatsy ianao...
Ø Ny TSAPATSAPA SY ANDRANA sesilany ataonao EO AMIN’NY FITANTANANA ny fiainam-pirenena ankehitriny »

Efa azo antoka mialoha anefa ange zany « VOKATRA » izany, kanefa moa nanaiky na nivonona hojambaina ireo nifidy an ’Ingahy Rajoelina (2,586,938 na 26.09 %-n’ny voasoratra tao anatin’ny lisitry ny mpifidy nitentina 9,913,599) sy ireo nitokona tsy nandeha nifidy (5,146,257 na 51.91 %-n’ny voasoratra tao anatin’ny lisitry ny mpifidy) tamin’ny fifidianana tamin’ny 19 Desambra 2018. Dia toa vao mainka miha-fadiranovana ihany ny sarambaben’ny vahoaka Malagasy iray manontolo miisa 27 tapitrisa eo ho eo ankehitriny, mijinja ny nafafin’izy ireo. Manoloan’izany toe-java-misy mahonena izany, dia tonga ao an-tsaina ireto ny tenin’i Jesosy ireto araka ny hita ao amin’ny Filazantsaran’i Matio (7:15-20) :

15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia ambodia mitoha izy.
16 Ny voany no hahafantarana azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo ve ny olona, na aviavy avy amin’ny songosongo ?
17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara ; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy,
18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
19 Ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka atsipy anaty afo.
20 Ka ny voany no hahafantaranareo azy.

Hoy ny fiteny :
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika ; tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa.
Koa enga anie ka mba hahay hanatsoaka fampianarana amin’izay fifidianana ho avy ireo nitokona tsy nandeha nifidy ireo ka nihevitra fa izany no tena « fahendrena » na satria efa matoky ny ho resy foana izy ireo na inona inona no latsa-bato ataony (noho ny hosoka amin’ny fanefena ny lisitry ny mpifidy sy ny fananganana « biraom-pifidianana » sandoka, sy ny hala-bato eo amin’ny famoahana ny voka-pifidianana) na noho ny hakanosany manoloana ny fanaovan’ny manam-pahefana « Ramatahora ».

Indro averinay koa ny famintinana, mamakafaka tsara ny pôlitikan’Ingahy Rajoelina sy ny governemantany, nataon’i Vohitra ihany, mba tsara ho masahan’ny mpamaky tsy misy ankanavaka amin’ny fijery tsy miangatra.
2 août à 12:36 | Vohitra (#7654) répond à Vohitra ^

Ø NOANA ve ianao ? ity ny colisée

Ø Tsy manambola ve ianao ? ity ny stade barea

Ø MARARY sy MAREFO ve ianao ? io fa efa amboarina ny RN 44 sy ny RN 5
[Ny an-tsipiriany mikasika ny loharanom-bola « hanamboarana » ireo lalana ireo no voalohan-javatra tokony hampahafantarina ny vahoaka :

.OHATRINONA no VOLA efa lany na mbola holanina ?
.Vola SAMBORINA ve sa FANOMEZANA maimaimpoana ?
Raha vola samborina, iza no mpampisambotra ? Tahataka ny ahoana avy no fepetra amin’ny fanefana ny TROSA : zana-bola ? fe-potoana handoavana azy ? miantomboka rahoviana (« délai de grâce » raha misy) ? IZA no orinasa nomena ny asa hanamboarana ireo lalana ireo ? Ambonin’izany, firy no ho TOMBON’ny vokatry ny famokaran-karem-pirenena (PNB) isan-taona novinavinaina haterak’ireo fanamboaran-dalana ireo ? Handritra ny firy taona, izany hoe mandra-panamboarana azy indray rehefa tsy azo andehanana intsony ? Ohatrinona no vola NATOKANA ISAN-TAONA HIKAJIANA azy ireo ?

. Raha fanomezana maimaim-poana inona avy no tsy maintsy ho takalony na ampahibemaso na miafina ?
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS