Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 15h42
 

Répondre à un commentaire

2 août 2020 à 21:24 | Shalom (#2831)

H.S.

Fony anay nianatra tany Lafrantsa fahiny dia nanatrika ny fihaonam-be isan-taonan niantomboka 1983-1990 momba ny « fanaovan-tsakafo sy ny fitaovana ary ny teknolojia » tany Arles.
Tamin’izany no nahafantarako ramatoa iray izay mpanoratra mpanao gazety malaza momba ny fanaovan-tsakafo frantsay dia i Maguelone Toussaint-Samat (ohatra amin’ireo sangan’asany : Histoire naturelle et morale de la nourriture, Livre de Maguelonne Toussaint-Samat).
Ny antony hiresahako an’i Magulone (efa nodi-mandry tamin’ny 2018 teo izy) dia satria ny rainy Jean Toussaint Samat dia « chargé de mission » teto Madagasikara tamin’ny taona 1920 tany ho any. Fianakaviana mpanao gazety sy mpanoratra izy ireo.
Ny antony faharoa dia ny zavatra hitako raha nasain’i Maguelone tao amin’ny « chateau »-ndry zareo tany Isle-Adam avaratr’i Paris ny tenako.
Gaga sy talanjona aho nahita efitra iray lehibe malalaka (tokony ho 200m tsy mivadimandry eo) misy :
- birao lehibe vita amin’ny « bois de rose » tany Madagasikara tamin’izany taona 1920 izany ary ireo seza vita tamin’ny vaomboana voasikotry ny Zafimaniry
- antotan-javatra vita sy avy tany Madagasikara (sikotra, vato, odygasy, sampy sns ...)
- boky miresaka ny tantara sy ny angano malagasy manerana ny Nosy ary tsy mbola hitako na fahita aty an-tanindrazana hatramin’izay, an-jatony isa ; averiko an-jatony isa
- taratasy sy tatitra mikasika ny zava-niseho tany Madagasikara nandritra ny fipetrahan’i Jean T. S.teto amintsika ary ireo rakitra maro sy soratry ny malagasy fahiny tamin’izany fotoana izany.
Raha fintinina dia tena « musée » momba an’i Madagasikara mihitsy ilay efi-trano.

Ankehitriny dia misy ny fifanantonako sy namana vitsivitsy amin’io fianakaviana io ny momba ny hamerenana indrindra ireo boky sy soratra ireo aty an-tanindrazana na ho atao amin’ny endriny nomerika, iarahana amin’ny fitkambanana Anglisy LMS izay manana tahiry maro ihany koa momba an’i Madagasikara.
Ady lavitr’ezaka no ataonay momba izany, ary naato kely ny fifampiraharahana noho ity valanaretina ity.
Mino fa ho tojo amin’ny irina tsy ho ela dia ny hiverenan’ireo rakitra ireo eto an-tanàna.
Marihina fa ezaka tsy miankina na iarahana amin’ny fitondrana malagasy izao atao izao fa andriakitra noraisina an-tsitra-po tsy noterena no mianto-tena.

Tsetsatsetsa tsy haritra iny fa tsy misakana antsika hanoy ny ady amin’ity valanaretina ity akory izany tetik’asa izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS