Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h31
 

Répondre à un commentaire

2 août 2020 à 08:39 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Roa taona lasa tokoa izao no nahitana sy nandrenesana kabary sy fanambarana manetriketrika sy nigagana...

Nolazain ity lehilahy ary fa hanova ny tantaran i Madagasikara izy, hamadika ny pejy, hitondra dingana lehibe, ary hivadika ho nofy ny fijaliana sy fahantrana mianjady amin ny vahoaka...

Roa taona lasa tokoa izany kabary miezinezina izany, niraradraraka ny fampanantenana, notanisaina ny tetikasa goavana anjatony, nolazainy fa efa vonona ny vola hanatanterahana izany, ary nambaran ity lehilahy iray ity fa tsy hisy fandrosoana mihintsy ho an i Madagasikara raha mbola ireo mpampindrambola mahazatra ireo no hianteherana...

19 volana ato afara, indreo vahoaka marobe tsy tamby isaina intsony, noana sy mosary, mahantra fadiranovana tsy manambola, marary sy marefo nifandimbiasan ny karazan aretina maro, velombelom poana sy miaina toa olondia amin ny tontolo tsy zarizary, ijaliana daholo ny filana fototra rehetra maha olona, mitebiteby fa mirongatra ny halatra sy vaky trano...

Fa aiza ary izany amin izao ilay nolazaina roa taona lasa fa VOLA EFA VONONA sy efa misy ao aminao ry lehilahy ?

Ireo no fahoriambahoaka miharihary ka aiza amin izay izany volabe nolazainao izany ?

Toa mbola ny fitrosana vola amin ireo mpampindrambola mahazatra toy ny nataon ny teo aloha rehetra ihany ity ataonao ity anie e !

Izao na ny tetibolampanjakana aza tsy misy fanjariany raha tsy mampindrana vola ireo fikambanana iraisampirenena...

Aiza ve ankehitriny, ao anatin ny telo (3) volana monja, dia indroa (in 2) ny Firenena no mindrana sy mangataka vola amin ny FMI, miavosa daholo izao na ny trosa na ny fahantrana...

Ianao anie nilaza fa efa vonona ny vola roa taona lasa izao e, ary mbola tsy nisy Covid-19 tamin izany roa taona lasa nanaovanao izany teny fampanantenana izany e !

Raha izao zavamisy izao ankehitriny no dinihina, dia azo antoka izany fa ny loharanombola nolazainao roa taona lasa ary noheverinao fa hoentina hamadihina pejy sy hanovana ny tantara, dia ny FIVAROTANA NY TANINDRAZANA.

Ny vahoaka miaina eo amin ny Tanindrazana izao no efa manomboka ripaka miandalana...

Vao maika anie nampidirinao anaty kizo sy haizina lalina ny vahoaka rangahy ity a !

Mbola tsy nahantra sy fadiranovana toy izao anie ity vahoaka ity e, mbola ratsy sy mangidy noho ny vitan ilay antidahy tantsambo ity nataonao ity rangahy ity a !

Tena noporofoinao fa nataonao nihinanana ny IEM anao tanteraka ny vahoaka !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS