Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h02
 

Répondre à un commentaire

30 juillet 2020 à 12:34 | arsonist (#10169)

H.S. ity ry ’Nao an !
Raha tsy i lysnorine ianao dia tsy voatery hamaky ity akory .
Nefa koa , na tsy lynorine aza ianao dia tsy sakanana hamaky ity lahatsoratra ity akory koa .


Miarahaba anao , lysnorine !

Novakiako tsara ny post nosoratanao farany teo omaly , any amin’ny pejy hafa eto amin’ito serasera ito .
Isaorana ianao amin’ireny archives entinao eto ireny .
Manazava zavatra maro voarakitrin’ny Tantara izy ireny .
Samy mahatsapa izany daholo izay rehetra manam-panahy .
Ny tsy manam-panahy no asa kosa .

Tamin’ny androm-pahazazako dia nalefa tantsekoly aho , ka fara faharatsiny mba tonga hatramin’ny kilasy faha-3 amin’ny ambaratonga faha-2 .
[Tsindrona tsy haritra loatra atao ny foza io , ka ialàna tsiny aminao].

Nisy fampahalalàna ny Tantara tokoa tany antsekoly .
Saingy Tantara mirona any amin’izay kendren’ny manam-pahefana tamin’ny fotoana androny fotsiny ihany .
Ka izay manembatsembana ny zavatra kendren-dry zareo dia notakonana sy nafenina daholo .
Tsy tsikera akory io fa fampahafantarana fotsiny izay fomba fanao .
Fomba mbola mitohy hatramin’izao andro izao .

Ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo namana Afrikana nifaneraseràna taty Ivelan’ny Nosy no nahafantarako ity antsoina hoe « Conférence de Brazza-ville » ity .
Nilaza moa ireo namana Afrikana ireo fa voaomana tsara mihitsy io conférence io .
Saingy toa tsy hita mihitsy izay tahiry antsoratra azo hamantarana izay rehetra natao sy nolazaina tao .
Na tsy hita aza izany tahiry antsoratra izany , dia izao no tena misongadina tamin’ireo zavatra rehetra nolazain’ireo namana Afrikana ireo .

(i) Voatery tsy maintsy nandray anjara tamin’ny latsa-kemboka harem-be handoavana ny saran’ny Ady i Frantsa sy ny Tafikin’ny Jeneraly de Gaulle , mba ahafahany manan-danja imason’ireo Anglo-Saxons [Indrindra moa fa i Roosevelt dia nitetika mazava be izao ny « hanazioga » an’i Frantsa aorian’ny Ady] .
Tsy nisy hafa tsy ireo zana-tany anefa no nahazoana izany harem-be natao latsa-kemboka izany , satria tsy i Vichy mihitsy akory no ahazoana izany harem-be izany .
Ka arakin’ny nolazain’ireto namana Afrikana ireto dia izay rehetra vatosoa sy volamena efa voangona no nalaina tany Brazza-ville tamin’io conférence io , nentina narotsaka natao latsa-kemboka .

(ii) Ho tambin’izany harem-be nomena izany sy ho tambin’ny ain’ireo miaramila avy tamin-jana-tany ireo , hoy ihany ireto namana Afrikana ireto , dia « nanome toky ny hanafaka ny zana-tany » ny Jeneraly de Gaulle tamin’ny kabariny izay antsoin’ireto Afrikana ireto hoe « Discours de Brazza-ville » .
Tsy hita mihitsy anefa izay dian’izany kabary izany .
Tsy hita ihany koa izay dian’izany « fakàna vatosoa sy volamena » harem-be izany .
Ka tsy hay mihitsy izay tena nitranga marina tokoa tany Brazza-ville tamin’io fotoanan’ny Tantara io .
Marihina anefa fa izay hevitrin’ny Jeneraly de Gaulle tamin’ny voalohandohan’ny taona 1944 , dia tsy voatery ho mbola heviny ihany koa taty aoriana rehefa niverina ho Président izy tamin’ny taona 1958 .
Tena Frantsay mahalala sy vonton’ny kolo frantsay ny Jeneraly de Gaulle .
Ka tsy mahagaga raha toa ka nisy fiovan-kevitra izy taty aoriana .
Ohabolana frantsay ny hoe : « Il n’y a que les imbéciles qui ne changent pas d’avis ».

https://www.jeuneafrique.com/396658/politique/jour-30-janvier-1944-souvre-conference-de-brazzaville/

Dia misaotra anao niharitra namaky hatramin’ny farany !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS