Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 00h31
 

Répondre à un commentaire

29 juillet 2020 à 17:47 | lysnorine (#9752)

Re Dadanaivo 29 juillet à 13:19
1. Du temps de la colonisation , certains malgaches sont ce qu’on appelle« des citoyens français » , ils possédaient DEUX CARTES d’identités , une française et L’AUTRE MALGACHE ,

DISO BE izany. TSY NISY izany « carte d’identité malgache » izany faha-fanjanahan-tany.
« INDIGÈNE » – araka ny VOAMBOLANA ARA-DALÀNA (“terminologie officielle”) no fiantso ny tompon-tany Malagasy TSY CITOYEN FRANÇAIS. Décret-n’ny prezidàn’ny Repoblika frantsay mivoaka amin’ny JORF no maha-lasa « citoyen français » ny indigène. « Vazaha taratasy » no fiantso ireo tompon-tany lasa « citoyen français » ireo [« Vazaha Maintsy » koa hoy ny fitenin’ny sasany taty aoriana]. Niezaka tokoa ny HIAVAKA amin’ny « indigènes » izy ireo ary dia nivondrona tao amin’ny « Amicale des Citoyens Français d’Origine Malgache » na ACFOM izay niara-niasa tamin’ny fanjakana mpanjanan-tany ary NANOHITRA MAFY DIA MAFY ny hizakan’ny Malagasy rehetra ny zo amam-pahalalahana fanànan’ny « citoyen français ». Kanefa latsa-danja foana izy ireo oharina tamin’ny « citoyen français » tena Vazaha fiaviana, na Eôrôpeanina, sy ny nantsoina hoe « ASSIMILÉS ». Tsy zakan’izy ireo intsony izany maha-citoyen de « SECONDE CLASSE » azy izany hany ka lasa nanatona ny Malagasy mpanohitra hatrizay hatrizay ny FANANDEVOZAN’ny fanjanahan-tany izy ireo rehefa hifarana ny Ady Lehibe faha-2 (1939-1945) – ry Dr RANAIVO Charles prezidàn’ny ACFOM – ka isan’ny tena nahatonga azy nikatsaka fivondronana tao amin’ny hoe « Comité de Salut Public » [ankoatry ny hanafoanana ny « Office du Riz »]

Nisy ny « lalàna Lamine Guèye » 46-940 tamin’ny 7 mai 1946 NANAMBARA fa « citoyens » daholo ny avy amin’ny zanatanin’i Frantsa kanefa tonga dia NOFERANA avy hatrany ny fampiharana azy izay mbola mitaky lalàna manokana. Noho izany dia tsy foana velively ny fanavakavahana ny « citoyen français » sy ny « indigènes » (ny mpitana ny « statut particulier »-ny no voambolana nampiasain’ny Fanjakana teto Madagasikara).

Loi 46-940 du 7 mai 1946 tendant à proclamer citoyens tous les ressortissants des territoires d’outre-mer.
Article unique. - A partir du 1er juin 1946, tous les ressortissants des territoires d’outre-mer (Algérie comprise) ont la qualité de citoyen, au même titre que les nationaux français de la métropole et des territoires d’outre-mer. DES LOIS PARTICULIÈRES ÉTABLIRONT LES CONDITIONS DANS LESQUELLES ILS EXERCERONT LEURS DROITS DE CITOYENS.

2. « Le Général De Gaulle disait à peu prés ceci sur les ondes de la radio Brazzaville en 1940 ou en 1941 : Vous les jeunes hommes qui sont dans les colonies françaises , venez nous aider , et un jour quand je serai au pouvoir , je vous rendrai votre indépendance »

ANGANO sy ARIRARIRA izany. Ny jeneraly de Gaulle dia tsy nihevitra na oviana na oviana ny hanome fahaleovantana ny zanatany frantsay na tany Indôsinina izany na teto Madagasikara sy Afrika. Voatery niova hevitra tokoa izy taorianan’ny naha- tafaverina azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny Mey 1958 noho ny Ady tany Alzeria. Ny tany Indôsinina moa dia efa tapitra tao DIEN-BIEN-PHU tamin’ny 7 Mey 1954 ny tantaran’ny fanjanahan’i Frantsa azy rehefa nilavo lefona ny tafika frantsay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS