Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h59
 

Répondre à un commentaire

5 juillet 2020 à 20:08 | Isandra (#7070)

Ny zavatra hita dia tao aorian’ny nisian’ ity aretina ity tao Ambatovy no tena niatomboka ny fiparitahan’izy ity betsaka toy izao, nanomboka tany Toamasina io, ary niparitaka taty Antananarivo. Asa na tadidinareo ireo fianakaviana voa tao Ambodin’isotry izay avy any Toamasina Ambatovy ?

"Ny 7 Mey ny Filoha Andry Rajoelina no nidina tany Toamasina ary nampahatsiahy fa mbola be ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Ambatovy no fantatra fa miditra sy mivoaka avy ao. Tapaka ny hevitra fa tsy maintsy hatoka-monina (« mise en quarantaine ») ny orinasa Ambatovy, manomboka io 7 Mey 2020 io. Ny marina teny an-toerana anefa dia ny ampitsony, 8 Mey vao namoaka fanambarana ho an’ny mpiasany rehetra ny tomponandraikitra ao fa miatra ny fitokana-monina. Ny dikany ? Ny hariva sy ny alina manontolo dia be ireo fivezivezana tsy voafehy… Telo andro taty aoriana dia io fa voatily « positif » Itompokolahy Ryan Reyes. Iza marina no manao tandrevaka ?

Ary raha tsy nidina tany an-toerana izany ny Filoha Andry Rajoelina dia aleho tsy eritreretina ny zava-nitranga tamin’ireo tanàna misy amin’iny RN2 iny, manomboka eo Moramanga ka hatrany Toamasina. Satria salama ireo mitondra ny coronavirus (« porteurs sains ») ka rehefa eo amin’ny fahasemporana vao ho taitra hanatona dokotera ary dia tara loatra ny hitsaboina azy ireo. Asakasaky ny sasany aloha fa dia misy tokoa Andriamanitra… Fa hanakory koa izao ny ho avin’ireo mpiasa maro ao amin’ny orinasa Ambatovy aorian’ny 31 Mey ho avy ? Satria sarotra no hilaza hoe rahoviana marina no tena handao antsika tanteraka io covid-19 io ? Ny loza anie dia ity ry zareo a : tsy ny vola no tsy misy fa efa manomboka hisintaka ry zareo ireo dia hanao mody mampalahelo (« victimisation »). Voalaza fa maharitra 29 taona ny fitrandrahana nikela dia ho ritra. Maro izay nalefa any ivelany izay (satria tsy voajerin’ny fanjakana ny tena isa marina) ka mino aho fa efa akaiky dia tsy hisy intsony. Ka eo ankatoky ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ve dia mbola ho tompon-trano mionona hatrany ny Malagasy ?"

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS