Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Répondre à un commentaire

4 juillet 2020 à 19:01 | lysnorine (#9752)

Hoy ilay matoan-dahatsoratra hoe :
« Stop aux conneries-virus »-
« fable du CVO : un remède à l’efficacité thérapeutique si peu démontrée qu’il ne figure même pas dans le protocole officiel de traitement des malades de la Covid-19 à Madagascar ! »
« : ce que l’on pointe du doigt n’est pas le bien-fondé de l’artémisia contre la Covid-19, mais la PRÉCIPITATION dans la production du CVO sans tests cliniques aux normes scientifiques internationales. »

Ny tena tianay hisarihana ny sain’ny mpamaky eto dia ny efa nisian’ny A.T.A. na Aro Tsimoka Aretina, tambavy avy amin’ny Raokandro-Zava-maniry Malagasy natao hisorohana ny COVID 19, kanefa tsy mba resahina mihitsy hany ka betsaka no tsy mahafantatra azy. Mora dia mora koa anefa ny vidin’izy io :
MGA 4500 na FMG 22500 no vidiny ny fonosana iray izay misy sachets 4 (efatra), ka fonosana efatra no hanaovana ny fisorohana mandritra ny 16 andro izany. Izany hoe MGA 18000 na FMG 90000 no tontalin’ny ho laniana (sahabo ho €4.16 na US$ 4.7 izany !)

Io A.T.A. io no azo antoka tsara fa TENA AVY AMIN’NYMPIKAROKA ao amin’ny IMRA ka VOKATRY ny nandravonan’izy ireo – tamin’ny MARTSA 2020 – ny FIKAROHANA efa fanaony nandritra ny AMPOLO TAONA maro dia maro teo, ambany fitarihan’Itpkl.Prôfesôra Albert RAKOTO RATSIMAMANGA, ka niteraka FANAFODY-TAMBAVY tsy tambo isaina avy amin’ny RAOKANDRO-ZAVA-MANIRY MALAGASY, hamidy eran’ny tsena, mahasitrana tsara ny ankabeazan’ny aretina rehetra mpianjady amin’ny vahoaka kanefa takatry ny fidiram-bolany !.

Efa hatramin’ny faramparan’ny volana Martsa 2020 na fiandohan’ny volana Aprily no NAMIDY izy io HISOROHANA ny CORONAVIRUS 19 indrindra. Noho izany dia nahavariana ihany no nihazakazahan’ny prezidàn’i Madagasikara sy ny mpitondra fanjakana Malagasy nampikaroka sy namoaka faingana « RAFIN’NY ATA », dia ity hoe « CVO » (Covid-Organics) ity, toy izay nandalina ny momba ny ATA aloha sy nampirisika ny IMRA hanabe voho azy arak’izay ilaina.

Araka ny filazan’ny nampiasa ny ATA - ary anisany aloha ny tenanay ! – dia MAHOMBY tokoa aloha izy io hatramin’izao eo amin’ny fisorohana ny COVID-19.

Ireto no rohy ahitana ny momba azy
https://www.youtube.com/watch?time_continue=9&v=0zUKsT9dH3k&feature=emb_title
https://www.ketrika.com/home.jsp?but=vente/fiche&cleproduit=PROD002173

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS