Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h18
 

Répondre à un commentaire

10 septembre 2019 à 15:43 | Vohitra (#7654)

Lasa indray iny ny vahiny .

Lasa nody namela hafatra sy anatra mavesatra tokoa.

Hafatra miantefa amin iza no tena nisongadina ary ?

Mazava sy miharihary fa ho an ny mpitondra sy ny mpanao politika.

Kolikoly, fandripahana harempirenena, tsy fitsinjovana ny maroanisa, fikatsahana tombontsoa ho an olombitsy, fametrahana rafitra mifototra amin ny soatoavina nindramina avy any ampita...

Fa iza daholo moa no tena tomponandraikitra mivantana amin izany tranga rehetra naha-kizo fara sy nampitondra fahoriana mavesatra ny Malagasy izany ?

Fantatry ny vahiny fa maro amin ireto olona manatrika azy noraisiny tanana ireto no tompomarika tanteraka amin izany.

Hafatra politika mavesa-danja tokoa no napetrany, tokony hitondra henatra sy henefy ny saina hikatsaka vahaolana mitombina sy tafapaka any amin ny maro ireny nambarany ireny.

Tsy tokony hirehareha tamin ny fandraisana ny Pape Francois ny mpanao politika efa nitondra sy manana andraikitra eto amin ny Firenena. Tsy kabary sy teny fanao any amin ny tany mandroso ireny nataony ireny, fa natao ho an ny Firenena mahantra fadiranovana sy tandindomin-doza vokatry ny fitondrana politika ratsy tantana.

Eny ary, inona no manaraka, hanasa vahiny hafa vaovao sa mba hiasa amin izay ?

Ny olana dia ity : atao ahoana ireto vola maloto betsaka mbola mameno paosy ireto ? Fantatr ilay vahiny zokiolona vao lasa iny ny fisian ireo matoa izy namoaka ireny teny mavesatra ireny.

Dia ahoana no atao ?

Hanangana Fondation ve hametrahana azy ireo ?

Mankasitraka e

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS