Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 12 juin 2026
Antananarivo | 15h04
 

Répondre à un commentaire

12 juin à 12:59 | Vohitra (#7654)

Averina foana ny fanontaniana hoe :

"Ny fahefana ve no mahalasa adala sa ny adala no nahazo fahefana ?"

Ireto solombava ireto no nandany ilay tetibola tamin’ny desambra 2025 ka tsy nikitika fa nitahiry io haba TVM io tao amin’ny tetibola 2026, koa eto indray rizareo no mody fanina eo !

Dia izao indray dia nampitomboina tsotra izao ny tetibola ho an’ny Antenimierampirenena !

Ny fikaonan-dohampirenena tokony hahafahana mandrava sy manafoana tanteraka ity Antenimiera ity koa moa tsy hita sy tsy fantatra intsony hoe rahoviana ! Iza no mahita raha toa ka isany tsy hirosoana amin’ny fikaonan-dohampirenena ny tahotra ny fandravana ireo andrimpanjakana rehetra, dia aleo aloha tsy aroso ny dinika !

Fa izao, isany tena ilaina fanovana haingana, ary tena maika, ny mikasika ny fanovana ny fahafahana manapaka ny tombontsoa isaky ny andrimpanjakana.

Fantatrao ve ry Malagasy fa ny Antenimierampirenena ihany no manapaka sy mpamaritra ny karama ary ny tombontsoa marobe ho an’ny députés ?

Izy ihany no manapaka izay ho karama horaisiny, dia izy ihany no mametraka izany ho lalàna velona, izany hoe sady mandidy izy no homana mihinanana miletra !

Ny fitsipika anatiny ao amin’io Antenimierampirenena io no manome azy izany fahafahana izany, ary izy ihany nefa no manamboatra ny fitsipika anatiny mifehy azy.!

Ahoana no mbola hanekentsika Malagasy hoe ny député ihany no omena fahafahana hanapaka izay karama sy tombontsoa mety aminy ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}