Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 27 juin 2025
Antananarivo | 18h50
 

Répondre à un commentaire

27 juin à 11:26 | Vohitra (#7654)

Efa tena tsy misy henatra intsony...

Inona amin’ny ataony sy lazainy no mitory sy manandratra ny fiandrianampirenena tena Malagasy sy maneho ny fitiavana ny Tanindrazana ?

Tsy misy, foana sy banga, maina kina tanteraka !

Tsy misy ataony afatsy ny mamoa-tsampona sy mamoafady, ary manimba ny hasimpirenena sy manozongozona ny firaisampirenena Malagasy.

Fa angaha io Rovan’Antananarivo io miantoka ny fiandrianampirenena Malagasy ? Tsia, tsia !
Io Rovan’Antananarivo io dia harentsaina sy vakoka, marika navelan’ny tantara niseho teo ankibon’Imerina maneho zotran’ny rafitra ara-piarahamonina nisy ary namela ho tantara ny fanjakana notarihin’ny taranak’Andriana Merina nialoha ny fanjanahantany frantsay. Harentsaina izany ary lova napetraky ny tantara, nomarihin’ireo Fasambe mitahiry ireo taolambalo nafenina ary efa dify amin’ny tara-masoandro miposaka mitondra ny rafitra Repobilika mampanjaka ny lalampanorenana sy ny làlana velona iraisana sy iombonana eo amin’ny Malagasy tsy vaky volo rehetra.

Fa ianao kosa, io Rovan’Antananarivo io foana no ataonao resaka, satria ianao mpisavika sy mitondra tena ho mpanjakabe, na fihetsika na fitafy na fitantanana, dia asehonao fa mitondra tena tia hisavika ireo roambinifolo manankasina ka manao ho tsy refesimandidy sy tompon’ny fanjakana ary mikasa ny hametraka ny Repobilika ho sehatra hifandovana.

Fa inona no manakana anao koa nefa tsy hanandratra sy hamelo-maso ny kolontsaina sy harem-bakoka misy ary toavina any Sahamadio sy Matsiatra Ambony loharano nipoiranao ?

Fa maninona ny mpiasampanjakana tokony miasa ho an’ny vahoaka Malagasy no sarihinao sy sarihinao mizotra mankany amin’ny fiarovana sy fanompoana ny fahefanao sy ny amboponao hametraka andriamanjaka anaty rafitra Repobilika ?

Tao anatin’ny 65 taona izay angaha teto nisy mpitondra faratampony nangataka fizakana zompirenena vahiny, indrindra fa zompirenena nanjanaka sy nandringana ny Malagasy ary nampitondra takaitra mafy sy naningotra harena sy aina Malagasy ?

Ianao irery no mamoafady ankehitriny sahy nandahatra nampijoro ny tafika frantsay hanao matso nefa dia aina Malagasy marobe no naripak’izany tafika frantsay izany teto, tia tanindrazana marobe no novonoin’izany tafika frantsay izany teto, fa angaha moa efa nisy fiaikena heloka sy fialantsiny nataon’ny fitondrana politika frantsay mikasika ny vono moka fandringanana vitany teto nandritry ny fanjanahantany ?

Tsy niloa-bava ianao na kely aza mikasika ireo fitakiana ny vondronosy Malagasy bodoin’ny Firenena frantsay izay izakanao zompirenena nefa afaka andro vitsy ny dinika mikasika izany izay nambaran’ny filohampirenenao tamin’ny fanoloranao tokim-panompoana azy tamin’ny fandalovany teto !

Izahay Malagasy foana no fahananao lainga sy soloky ary fitaka isanandro vaky izao. Ny fombanay sy lasanay no vetavetainao foana eto, ny harenanay foana no ataonao jirika sy remby eto, ny Tanindrazanay foana no amidinao amin’ny vahiny.

Efa tsy misy henatra intsony mihintsy e...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}