Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Une enquête parlementaire sur la poursuite de Rajoelina - Mr l’Imam,
Mentir aux mécréants est un péché pour les Muslims ou un vertu ? (…)
walesa - Une enquête parlementaire sur la poursuite de Rajoelina - L’ONU ne s’appelle pas lanto rakotomanga ou lalatiana rakotondrazafy.
Ils (…)
citoyendumonde - Une enquête parlementaire sur la poursuite de Rajoelina - Merci LE KOPE
De rafraîchir la memoire avec détails !!!!
bekily - Une enquête parlementaire sur la poursuite de Rajoelina - Oui Ratovo
On ne rappelle pas assez.
GRAND MERCI A GEN Z !
Vous (…)
bekily - Une enquête parlementaire sur la poursuite de Rajoelina - Lékopé,
– Déjà, Rajoelina ne restait pas au pouvoir pendant 16 ans, par (…)
Isandra
{#URL_PAGE{archives}}





MBOLA RAJAONAH AKAMAN’I ROSSY ?
Angaha tsy MBOLA any am-ponja ilay olona no dia MBOLA hilàna vanona any an-dranony sa MBOLA misy alahelo tavela ? MBOLA ho tsaraina” , hoy ny Depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy tao anatin’ny tambajotran-tserasera. Niverina in’efatra ny hoe : “MBOLA” ary nataony tamin’ny sora-baventy, izay heverina avy hatrany fa ny fisavana ny tranon’ny mpandraharaha Mbola Rajaonah no anton’io, na tsy novantanina aza. Ity farany izay nolazaina fa manao fanohitohinana ny filaminana anatin’ny Fanjakana na manao “atteinte à la sûreté intérieur de l’Etat” , kanefa olona efa nadoboka am-ponja nanomboka ny febroary 2019. Misy olona mahatsapa ihany izany ao anaty Fitondrana ao fa misy ny zavatra tsy mety sy tokony hahitsy satria tsy hisy tombony ara-politika fa vao mainka hanaratsy endrika ? Isan’ny fanehoan-kevitr’io depiote io ihany koa moa ny hoe : “Ilay revy mampiakatra ben’ny tanàna miroky politika kosa aloha efa faha repoblika faharoa e ! Ny anay Paolo e !” . Mazava ny tiany hahatongana amin’io dia ny raharaha fifanenjehana eo amin’ny governoran’I Bongolava Jeneraly Ramiaramanana Joseph sy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy ankilany, ary ny Filohan’ny Sendikan’ny Adiministratera sivily Paolo Raholinarivo andaniny. Tsara rahateo ny manamarika fa tsara tadin-dokanga amin’ny depioten’I Tsiroanomandidy Haja Ramaherijaona izay tsy mifankahazo amin’ny governora izay akaiky an’I Lalatiana Rakotondrazafy ny Depiote Rossy izay niaraka nanotrona an’io depiote IRD any Bongolava io niaraka tamin’ny Sekretera Nasionalin’ny TGV dia ny Governoran’Analamanga Hery Rasoamaroka ny volana jolay lasa teo. Endrika maneho izany fa misy ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpanohana fitondrana. Isan’ny lesoka ho an’ny Fitondrana ny tsy fihainoana ireo heverina fa tokony ho arofanina ao anatiny. Isan’ny natao maty henjika, ohatra, ny depioten’Ikongo izay Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena noho ny zavatra nambarany, kanefa tena maro ny zavatra mitombina sy arofanina ho an’ny fitondrana nataony.
Toky R/Tia Tanindrazana.