Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - JIPO tout ce que vous dites dans votre dernier post ci-dessus s’applique (…)
tonga soa - Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - "Sac à dos " valide le post à jipo...1 fois n est pas costume et (…)
canal baobab 13 - Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - C ’est quand meme formidable cette propension maniaque de faire diversion (…)
Jipo - Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - Ex fou poumpoum...car libéré délivré et la psychiatrie ne sera plus la même (…)
canal baobab 13 - Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - « Ce texte présente les caractéristiques d’une publication conspirationniste (…)
kartell
{#URL_PAGE{archives}}





MBOLA RAJAONAH AKAMAN’I ROSSY ?
Angaha tsy MBOLA any am-ponja ilay olona no dia MBOLA hilàna vanona any an-dranony sa MBOLA misy alahelo tavela ? MBOLA ho tsaraina” , hoy ny Depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy tao anatin’ny tambajotran-tserasera. Niverina in’efatra ny hoe : “MBOLA” ary nataony tamin’ny sora-baventy, izay heverina avy hatrany fa ny fisavana ny tranon’ny mpandraharaha Mbola Rajaonah no anton’io, na tsy novantanina aza. Ity farany izay nolazaina fa manao fanohitohinana ny filaminana anatin’ny Fanjakana na manao “atteinte à la sûreté intérieur de l’Etat” , kanefa olona efa nadoboka am-ponja nanomboka ny febroary 2019. Misy olona mahatsapa ihany izany ao anaty Fitondrana ao fa misy ny zavatra tsy mety sy tokony hahitsy satria tsy hisy tombony ara-politika fa vao mainka hanaratsy endrika ? Isan’ny fanehoan-kevitr’io depiote io ihany koa moa ny hoe : “Ilay revy mampiakatra ben’ny tanàna miroky politika kosa aloha efa faha repoblika faharoa e ! Ny anay Paolo e !” . Mazava ny tiany hahatongana amin’io dia ny raharaha fifanenjehana eo amin’ny governoran’I Bongolava Jeneraly Ramiaramanana Joseph sy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy ankilany, ary ny Filohan’ny Sendikan’ny Adiministratera sivily Paolo Raholinarivo andaniny. Tsara rahateo ny manamarika fa tsara tadin-dokanga amin’ny depioten’I Tsiroanomandidy Haja Ramaherijaona izay tsy mifankahazo amin’ny governora izay akaiky an’I Lalatiana Rakotondrazafy ny Depiote Rossy izay niaraka nanotrona an’io depiote IRD any Bongolava io niaraka tamin’ny Sekretera Nasionalin’ny TGV dia ny Governoran’Analamanga Hery Rasoamaroka ny volana jolay lasa teo. Endrika maneho izany fa misy ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpanohana fitondrana. Isan’ny lesoka ho an’ny Fitondrana ny tsy fihainoana ireo heverina fa tokony ho arofanina ao anatiny. Isan’ny natao maty henjika, ohatra, ny depioten’Ikongo izay Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena noho ny zavatra nambarany, kanefa tena maro ny zavatra mitombina sy arofanina ho an’ny fitondrana nataony.
Toky R/Tia Tanindrazana.