Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h04
 

Malagasy

Antsirabe :

maro ny loza niseho ny faran’ny herinandro teo

jeudi 14 août 2008 | Princia R.

Iray maty, 7 hafa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana roa samihafa niseho tao Antsirabe tao anatin’ny roa andro. Ny asabotsy dia posy roa no nofahon’ny fiara madinika iray teo Andranomadio : naratra vokatr’izany ny mpitari-posy sy ny olona nentiny. Nahita izany ilay fiara nandona dia nitsoaka nirifatra, 1 Km niala teo dia nidofotra indray teo amin’ny vavahadin’ny « Service technique » voirie ilay fiara nandona, navelan’ny mpamily teo ilay fiara fa ity farany kosa tsy hita izay nalehany mandrak’androany, ny fiara kosa efa naiditra « fourrière ».

Ny alatsinainy indray dia olona saika hamonjy famadihana avy niala ny zotra nandehanany no nofahon’ny fiara 4x4 iray ka maty tsy tonga akory teny amin’ny Hopitaly, 5 hafa kosa mbola mandray ny fitsaboana azy eny amin’ny toeram-pitsaboana. Ny olona rehetra tao anatin’ilay fiara, na dia nivadika aza ilay fiara, dia tsy nisy naninona na dia iray monja aza.
Ny herinandro lasa teo dia nisy dinik’asa momban’ny aro loza amin’ny fifamoivoizana teto antsirabe, niarahana tamin’ny ministeran’ny fitaterana ary ireo mpitandro ny filaminana ary koa ny avy ao amin’ny Bianco. Tanjona tamin’izany ny tsy hisian’ny lozam-pifamoizana intsony eto an-toerana mandritra ny enim-bolana farany. Eo ihany koa ny hialana amin’ny kolikoly an-dalam-be. Tsy niherina akory ny fotoana dia niseho ny loza ary namoizana ain’olona maro.

« Samia manao ny asany isika »

Nandritra io fikaonan-doha io dia nisy tompon’andraikitra nanome tsiny ny mpanao gazety avy hatrany tamin’ny famoahana ireny vaovao mahakasika ny lozam-pifamoivoizana ireny, anefa ny rehetra dia samy manao ny asa mifanandrify amin’ny tsirairay avy, fa tsy mbola nisy tsy akory nisalovana ny asan’ny hafa. Mbola mila ezaka goavana ny ady atao amin’ny lozam-pifamoivoizana eto Antsirabe.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS