Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h52
 

Teny zato, kabary arivo

Zatra mandoa vola

lundi 10 septembre 2007 |  200 visites  | Naivo kely

Talanjona kely ny rehetra raha nahita ny fanombohan’ny fampilezan-kevitra ny sabotsy lasa teo, satria dia tsy araky ny nampoizina ny habetsahan’ny vahoaka tonga nanatrika izany fampielezan-kevitra izany. Ny momba ny kandida na tian’ny olona na tsia no asian-teny eto, fa ny momba ireo mpanakanto nantsoina izay hita fa goavana eto amin’ny firenena, ka rehefa manao eny Antsonjombe na eny Antsahamanitra na ihany koa etsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina dia saika feno hipoka foana, kanefa ny vidim-pidirana hita fa midangana.

Maimaim-poana tsy nandoavana na dia ariary aza, kanefa dia vitsy no tonga nanohina ny antso. Tsy ny mpanakanto na ny kandida kosa aloha no ndeha hambara fa tsy tian’ny olona fa mety efa zatra ilay mandoa vola angamba ny vahoaka ka izay no tsy nampiraika azy ireo ? Na eo ihany koa ny dokam-barotra nilaza mialoha no tsy ampy ? Firmin, Lola, Toto Mwanjani, Tafita, Ambondrona, Ninie Boeny sns… Toerana aiza no tsy ho fenon’ioreo raha manao fampisehoana 5000 ariary ny fidirana ankalamanjana, kanefa toa tsy nisy nanohina firy ilay antso ? Ireo ny mpanan-kanto nandray anjara ny sabotsy manerana ny faritra maro teto andrenivohitra, koa samia mamisavisa isika rehetra, fa toa tsy mankamamy ny tsy andoavam-bola ny gasy e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS