Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h17
 

Teny zato, kabary arivo

Zarazarao hanjakana

samedi 5 avril 2008 |  663 visites  | Naivo kely

Raikitra ny fitetezam-paritra hanazavana ny sain’ny vahoaka amin’ilay rafitra tetezamita. Rafitra izay heverina fa handraisan’ny ankolafin’olona maro anjara. Io tetezamita ihany koa no hametraka ny fanjakana manaraka eo.

Saika ireo olona efa very toerana milona ao anaty mpanohitra no hita miangavy ny hidirana ao anatin’io tetezamita io. Tsy ratsy ny hevitra apoitrany, satria ny fahorian’ny vahoaka ankehitriny no antony hitakiana izao fepetra izao. Manana ny tetika hialana amin’io fahantrana io izahay mpanohitra hoy ny feo heno tamin’ity herinandro ity tany amin’iny faritra avaratra iny.

Ny mampalahelo, dia io fanalana ny fahantrana io hatrany no ataon’ny sasany litania, mba hiakarana eo amin’ny fitondrana. Firy ireo izay nampanantena volana aman-kitana ny mponina izay, saingy toa ny omaly tsy miova no hita. Miha-mahantra aza fa tsy miarin-doha.

Ny mahagaga dia tsy sahy mandray anjara amin’ny fifidianana ny ankamaroany, fa manantena ny ahita fahagagana toy ny tamin’ny 1991 sy ny 2002 ve ry zalahy sy zavavy isany ? Tsy ho gaga isika raha hitodian’ny maro lamosina ny antoko politika, ka ny tsy miankina hatrany no hiantefan’ny vaton’ny mpifidy.

Aoka izay ny zarazarao hanjakana, fa izay ihany no naha-rotika ny firenena tahaka izao, ka ilay tetezamita tadiavin’ny sasany, sao lasa tetezana mitsikafona ny farany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS