Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h31
 

Tsakotsako

« Zamerika »

lundi 10 novembre 2008 | RAW

Mbola i Barack Obama foana ny resaka. Izay vao tena hiova tokoa ve ny fitondrana amerikana hoy ny maro ? Efa ela mantsy i Etazonia no tsy « nampirevy » intsony. Efa ela izany hoe « Zamerika » izany ; izany « Appolo » sy izany olombelona voalohany nanitsaka ny volana izany. Fahiny tokoa izany.
Fa ankehitriny toa tahotra no ao an-tsaina raha vao mieritreritra izany Etazonia izany. Tao aorian’ny « Ku Klux Klan »dia ny « terrorisme » izao no mampatahotra. Ny fomba dia mitovy ihany : mamono olona amin’ny fomba isan-karazany. Maty noho ny tolona notarihiny mba hisian’ny fitovian’ny samy amerikana i Martin Luher King. Sahin’ny Amerikana mihitsy ny namono filoham-pirenena mba hifehezana tanteraka ny pôlitikany tsy hiova. Maty ny filoha John Kennedy sy ny rahalahiny. Ny tena fototry ny vono olona moa dia tsy mety mazava hatramin’izao ; eny na ny ati-doha nikotrika aza.
Ahiahy no misy ankehitriny. Niova tokoa ve ny Amerikana ?
Taona maro tany aloha tany tokoa dia « nampirevy » ny miresaka izany « Zamerika » izany ; izany « dôlara » izany.

Azo inoana ve fa amin’izao Barack Obama filoham-pirenena amerikana izao dia hiova ny fijery hoe mpisetrasetra ny Amerikana ? hoe mpanafika an’izao tontolo izao ny miaramila amerikana ? hoe mpanakorontana an’iny Afovoany Atsinanana iny ny Amerikana ? Hiverina « hirevy » Amerikana amin’izay indray ve ny afrikana sy ny erôpeana.
Izany « revy » izany mantsy tsy miankina amin’ny fanampiana sy ny tolotolotra avy amin’ny Banky isan-karazany na fikambanana etsy sy eroa fa miankina amin’ny hoe resy lahatra fotsiny izao ny olona noho ny zava-miseho, henony sy hitany maromaro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS