Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Vonjeo fa potika ny tanàna

lundi 11 février 2008 | Naivo kely |  703 visites 

Tsy hifaniliana na hifanome tsiny lava eto isika fa atombohy ny asa fa potika ny tanàna. Io no handrasan’ny vahoaka amin’ireo mpitantanana ny tanana eto Iarivo, raha mahita ny fahavoazan’ny làlana feno lavaka etsy sy eroa. Saika ahitana io lavaka io avokoa ny lalana rehetra eto andrenivohitra amin’izao, ka miteraka fimenomenomana eo amin’ny amin’ny mpampiasa ireny lalam-bahoaka sy fiara ireny. Fa nankaiza ny mpitondra hoy ny maro ? Tsy misy ny vola fa lanin’ny teo aloha hoy indray ny hafa. Tsy izay anefa no valiny tokony omenan’ny mponina mpandoha hetra, satria matoa eo, dia mitondra vaha-olana. Olona heverina fa afaka ny hamaly ny hetahetam-bahoaka ireo mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanàna, izay iza no tsy mahafantatra ny nihavian’ireo, kanefa toa mitazana fotsiny ny fahavoazan’ny tanàna ? Sa tsy mahatapaka ahitra raha tsy tonga avy any ivelan’ny ben’ny tanana ? Fanamby lehibe anefa nio tsy maintsy hifaninana, satria ny olona nodimbiasana teo valo volana nahavita, fa tsy sanatria valo volana handraisana fahefana fahapotehana no hita. Dia mirary ny soa ho an’ny mpitondra vaovao eto andrenivohitra mba ahavita be satria iarahana manana ity renivohitry ny nosy ity, fa tsy sanatria natao hialokalofan’ny olona very seza rehetra tany amin’ny antoko tany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}