Nasaina nefa noroahina indray avy eo. Io no nahazo ny mpanao gazety saika hiatrika ny tatitra nataon’ny ministry ny Fiarovam-pirenena sy ny teo anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny filaminam-bahoaka ny talata teo. Ny antony, dia voalaza fa saro-pady ity resaka filaminana ity, ka tsara raha hidina ho an’ny loholona sy ny ministera ihany ny varavaran’ny antenimieran-doholona io talata io. Maro ny tsiambara-telo tokony tsy hivoaka angazety, indrindra amin’izao fakana ambava manamboninahitra maro voatohitohina momba ny fanonganam-panjakana izao. Mitohy ny fakana ambavany azy ireny, izay niarahan’ny rehetra nahita fiakarany teny anivon’ny fampanohavana tetsy Anosy. Raha atao indray mijery izao fanakatonam-baravarana atao amin’ny mpanao gazety izao, dia hita fa mbola maro ny raharaha tsy milamina momba ity tontolon’ny fandriam-pahalemana ity, saingy izay ve no heverina fa hampilamina ny tany ?
Filaminam-bahoaka
Voaroaka ny efi-trano ny mpanao gazety
jeudi 19 juin 2008 |
| 910 visites