Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Entana vita gasy

Vidiana lafo ny marika vahiny

jeudi 24 avril 2008 | Naivo kely |  716 visites 

Valalan’amboa ka isika tompony indray no tsy tia. Hita taratra io amin’ny fiainan’ny mponina andavan’andro. Toa mahamenatra mihitsy ny mitondra ny zava-bita Malagasy. Maro ny orinasantsika eto an-toerana izay mamokatra entana maro. Ao ny lamba, savony, akanjo fitaovana maro mampiodina fiara. Tsy diso anjara amin’izany ny kolontsaina Malagasy sy ny asa-tànana.

Marika vahiny

Raha idirana ny eo amin’ny lafiny fitafiana, dia saika mameno faritra maro ny orinasa afaka haba. Pataloha sy ny akanjo ba sy ny maro samy hafa no vokarin’izy ireny. Manenjika aman-jatony isan’andro ny mpiasa iray, nefa aman’aliny ny mpiasa mivelona amin’izany. Raha atao ny kajikajy, dia vola miliara isan’andro no mihodina amin’izy ireny. Tsy amidy eto antoerana anefa ny zava-bita fa alefa any ivelany, mba ho potehana ny marika vahiny, ary avy eo dia averina eto. Amidy amin’ny vidiny lafo io avy eo, satria efa mitondra ilay marika vahiny voalaza etsy aloha. Tsy sahy manao iny ny gasy raha toa ka marika gasy no eo, satria mahamenatra ilay vita gasy e.

Omena lanja ny hafa

Toy izany ny resaka savony. Manana mpanamboatra goavana malaza eran-tany isika, saingy vao mipoitra ny vitan’ny orinasa madinika kely amin’ireo firenena manodidina antsika, dia iny no hifandrombahana. Ny vidiny anefa tsy dia mifankaiza. Zary toa manome lanja ny hafa isika, ary tsy mahagaga raha mitobaka be ny vita vahiny eny an-tsena raha mitaha amin’ny vita Malagasy. Vokany, miroborobo ny orinasa vahiny, fa ny antsika kosa latsaka ankaterena. Miainga eo ny fandroahana mpiasa, ary dia ireny hiarahana mahita ireny ny fitomboan’ny mpanao asa ratsy eto amintsika, satria ny kibo tsy mba lamosina. Mazana dia miainga any amin’ny mpitondra fanjakana ny fanomezana vahana ny entana vahiny, satria ny akora alaina amin’ny fanodinana entana hafarana avy any ivelany, dia midangana raha mitaha amin’ny fidiran’ny entana vahiny.

Aro riaka

Efa maro ny fitarainana nataon’ny mpandraharaha Malagasy, saingy mbola tsy voavaha tanteraka aloha hatreto ny olana. Na dia nanangam-peo mafy aza ny GEM sy ireo sendika maro samihafa, dia hita ho miha-rendrika ny mpandraharaha maro. Ny mpanao lamba zara raha mahavita manondrana entana, ary ny « friperie » no zary mitobaka eny an-tsena satria io no mahatafy ny 90% ny malagasy. Aiza ny aro riaka tsy aha-potika ny mpandraharaha eto an-toerana ?

Nahoana ny sinoa no zary mahavita mamatsy ny entana vokariny eran-tany, nefa hambara fa entana mora potika ?

Isika rehetra no mamaly izany, fa na mora potika aza ireny vita vahiny ireny, dia hifandrombahan’ny maro, satria mahamenatra ny vita gasy e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}