Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h10
 

Teny zato, kabary arivo

Very ny kanto Malagasy

mardi 29 avril 2008 |  1124 visites  | Naivo kely

Vay ankandrina izy ity ka sady maharary no mahamenatra. Miroborobo fatratra ny hira Malagasy, ary saika feno izao karazana mpanan-kanto tsy fantatra rehetra izao ny haino aman-jery maro samihafa. Gaga ny rehetra fa hay manankarena mpanan-kanto tahaka izao ity nosy ity.

Tsy ela dia efa any ambavan’ny zaza madinika ny hira navoakan’izy ireny, ary na ilay fihetsika mampidera ny afenina rehetra aza, dia efa hain’ny ankizy sahady. Toa manao tomandavana miakatra manao fampisehoana etsy sy eroa, ary dia tomefy olona hatrany. Miditra ny vola hoy ny hafa, ary dia afaka andro vitsy monja dia efa mahavita hira hafa indray. Raha tena hitodiana ny zava-kanto malagasy, dia tsy tafapetraka intsony ny maha-kolontsaina azy.

Raha vao horonan-tsary « clip » tsy mampidera takokenatra, dia toa tsy maha-taitra ny maro intsony. Ny fitombenana ny an’ny sasany no ampinga entina mihetsika, ka zary adino hatreo ny tena fiangaliana ny zava-kanto. Ny fakan-tahaka ny any ivelany tsy tenenina intsony. Raha mahatsapa ny rehetra, dia izay tena miangaly ny mozika Malagasy toa tsy hita firy amin’ny sehatra maro samihafa. Tsy sanatria natao handemena ny sain’ny mpanan-kanto ny tahaka izao, fa mila manova famindra isika raha te-hiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny zava-kanto malagasy. Malaza anio vita ihany fa ny rendrika rahampitso no ratsy. Koa aoka samy hitandrina fa ny rivotra mitsoaka eran-tany efa mafy, ary tsy vitan’ny Clip anjaridaina mampiseho ny tsy tokony haseho izy ity, fa manjary very ny kanto Malagasy, izay mozika tokony hanana ny anjara toerany eo amin’ny sehatra maro samihafa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS