Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h44
 

Malagasy

Vaovao tapatapany

mardi 3 mars 2009

- Ambohimanambola : Olona iray maty, 4 naratra

Ny 28 febroary 2009 tamin’ny 6 ora hariva sy sasany tamin’ny lalana mampitohy an’Ankadidratombo sy Ambohimanambola no nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity. Fiara Citroën AX nifandona tamin’ny fiara Peugeot 405. Fandehanana mafy sy fahamamoan’ilay mpamily, raha ny loharanom-baovaon’ny mpiandraikitra ny loza tahaka itony no arahina, no nahatonga ny loza.

Vokatr’izany, Ramatoa 37 taona tao amin’ilay Citroën AX no maty. Olona telo (3) hafa naratra mafy : lehilahy 40 taona, ankizilahy 12 taona sy ankizivavy 9 taona izay nalefa notsaboina tao amin’ny hôpitaly Ravoahanagy Andrianavalona ao Ampefiloha. Betsaka ny fahasimbana tamin’ireo fiara roa nifandona ireo.

- By-pass : Hamamoana niteraka lozam-pifamoivoizana naharatrana olona telo

Ny 28 feb 2009 tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, tamin’iny lalàna By-pass Ifarihy, fokontany Ifarihy, kaominina ambanivohitra Ankaraobato no nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana hafa koa. Fiara VolksWagen iray avy any Ambohimangakely ho any Iavoloha no nifatratra tamina fiara roa izay nijanona tamin’ny sisin-dalàna ankavanana ary mbola nandona moto iray izay nifanena taminy.

Ny fiara voalohany nijanona ka nodominy dia P.205, ny fiara faharoa kosa dia Golf. Vokany olona telo (3) naratra ka vehivavy 18 taona, lehilahy 21 taona izay nandeha moto, ary “ mécanicien ” iray an’ilay golf nijanona amoron-dalàna.

Ireo naratra moa dia nalefa notsaboina tany amin’ny hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. Araka ny voalazan’ny Zandary ao Andoharanofotsy nanao ny famotorana dia mbola hamamoana ihany no fototry ny loza.

- Andoharanofotsy : Fiara 2CV, lasa “kaly”

Ny 26 febroary 2009 tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro, tetsy Andoharanofotsy, district Atsimondrano, dia Camion Mercedes-Benz 1113 ho any Antsirabe, nikivilavila fandeha ary nifandona tamin’ny fiara 2CV. Tsy vitan’izay fa mbola nandona fiara P.404 bâché sy R.21 nijanona teo amin’ny sisin-dalàna ankavanana, samy mitodika ho aty Antananarivo.

Lasa tohana (kaly) ilay 2CV ka nahitana fahasimbana be dia be. Ny fiara telo sisa kosa tsy dia nahasimbana firy. Naratra mafy ilay saoferan’ilay 2CV, 31 taona ka nalefa notsaboina.

Araka ny filazan’ny Zandary dia mbola fahamamoana ihany no fototry ny loza. Efa notazomina tao amin’ny zandary ao Andoharanofotsy ilay mpamily.

Nangonin-dRakotoarilala Ninaivo

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS