Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h07
 

Malagasy

Masera protestanta

Valo taona ny fanomanana ny voady farany

mardi 21 octobre 2008 | Nivo T. A.
Masera Soa Christine, andiany faharoa amin’ireo masera nahavita voady farany.

Tsy ny katolika ihany no manana masera fa ny protestanta koa. Efa 20 taona izao no nijoroan’ny Fiaraha-miainan’ny Vehivavy Reliziozy Protestanta Malagasy ao amin’ny FJKM, izay ivondronan’ireo masera miisa 10 izay manana ny foiben-toerany ao Ambavahadimitafo-Antananarivo saingy tsy dia fantatry ny olona loatra ny fisian’izy io.

Maharitra valo taona eo ho eo, araka ny nambaran’ny masera Soa Christine, ny fanomanana ny voady farany hataon’ny masera protestanta iray, izay manokan-tena tsy hanambady fa hiaina ao anatin’ny fahadiovam-piainana, fanenetren-tena ary fankatoavana an’Andriamanitra, izany hoe mifototra amin’ny fiainam-bavaka.

Misy ambaratonga ny fiainana ao amin’ny MAMRE ka izay mahafeno tsara ny fepetra takiana ary vonona ho amin’ny fanokanan-tenan tanteraka no afaka manao ny voady farany. Tao anatin’ny 20 taona nisian’ny fikambanana dia 10 monja no nahatanteraka ny voady farany ka miaina ao anivon’ny MAMRE ankehitriny. Nisy ireo nitsoaka an-daharana ary amin’izao fotoana izao dia misy ireo mbola mijery taratra ny fombafomba fiainan’ny masera mialoha ny hanapahany hevitra hentitra.

Mankalaza ny 20 taona

Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany moa amin’izao fotoana izoa ny MAMRE (izay no anarana nofidian’izy ireo iantsoana ny fikambanana), ka misy ny fampahafantarana ny momba ny MAMRE sy fampirantiana ny asa-tanana sy zava-bitan’ireo masera mpikambana ao, izay atao etsy amin’ny Tahala Rarihasina-Analakely nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy ny asabotsy ho avy izao.

Ny MAMRE moa dia tanàna iray ao amin’ny Genesisy toko faha-18, enti-milaza ilay toerana nisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Saraha mikasika ny Trinite na ny “Telo izay Iray”.

Mamelon-tena ny MAMRE

Manan-talenta ny masera protestanta ka izany no ampiasain’izy ireo amin’ny fameloman-tena. Anisan’ny asa ataon’izy ireo ny fanjairana ny akanjon’ny mpitandrina na ny diakona na ny mpiandry, ny asa tanana sy tao-zavatra izay fidiram-bola maharitra ho azy 10 miarahavavy. Mamboly anana sy salady ary miompy eny Ambohinaorina-Sabotsy Namehana ihany koa ireo masera ireo ka isan-kerinandro no mivarotra ny vokatra. Ankoatr’izay dia afaka mikarakara sakafo ho amina fanasana (traiteur) sy manamboatra mofomamy isan-karazany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny MAMRE ireo. Voalaza fa manodidina ny Ar 50.000 ka hatramin’ny 80.000 eo ho eo ny vola miditra amin’ny fikambanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS