Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h27
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy tamana tao Iavoloha ny Mpanohitra

vendredi 30 novembre 2007 |  791 visites  | Naivo kely

Tsy naharitra ora vitsy taorian’ny fanasana azy, dia nitsangana nandao ny lapa teny Iavoloha ireo mpanohitra nasaina hIatrika ny loabary an-dasy sy ny dinika momba ny firaisankinam-pirenena. Tsy tamana satria tsy tao ny filoha Ravalomanana izay heverin’izy ireo fa olona ilaina mifanatrika aminy. Raha asain’olona mantsy dia tsy ny mpanampy no andeha hiara-misakafo amin’ny tena fa ny tompon-trano. « Tsy midika akory io », hoy ingahy Herizo Razafimahaleo, « fa maivan-danja ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, fa kosa ny fototry ny olana no ilaina hifandresena lahatra ». Tsy tamana tao Iavoloha izany ny mpanohitra, izay midika fa rava ny dinika. Resaky ny moana sy marenina ny fiheverena fa ilaina mifampidinika ny an-daniny sy ny ankilany, koa ho gaga ve isika mianankavy raha mifandrafy lava izao ny mpiray tanindrazana ? Dia ho sanatria ve ilaina ny vahiny avy any ivelany foana vao afaka hikaon-doha hialana amin’izao disadisa politika izao ny firenena ? Tsy ny firehana politika intsony no miady fa manjaka ny « halako bika », ka samy mifampiandry kendry tohana lava izao ny andaniny sy ny ankilany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS