Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h20
 

Malagasy

Marcel Ranjeva

« Tsy ny ben’ny tanàna no mampiakatra ny karaman’ny mpiasa »

mardi 4 décembre 2007 | Volana R. |  865 visites 

« Betsaka ny diso hevitra amin’ny andraikitry ny ben’ny tanàna, ary misy rahateo no mampanantena kintana sy volana mba hahalany ny tenany ». Nanararaotra ny fotoana nolalovany tao amin’ny Savaravina RNM,ny alahady teo, ny « coach » Analamanga, ny jeneraly Ranjeva Marcel, hanazavany fa « Anjarany kosa anefa ny manome tontolo hahafahan’ny vahoaka mivelatra sy misitraka ny fandrosoana. Andraikiny ny mitady vahaolana mba hampandry fahalemana ny tanàna entiny, ny mandrindra ny tsena ahafahan’ny vokatra mivezivezy, ny manatsara ny fotodrafitrasa toy ny lalana sy ireo foto-drafitrasam-pampandrosoana mifandraika amin’ny filan’ny tanàna, toa ny toho-drano na ny rano fisotro madio ». Nanamarika araka izany ny ministra Ranjeva fa efa nofantenana hifanentana amin’ny hetahetam-bahoaka ny kandidà natolotry ny TIM, ka dia lany feno i Hery Rafalimanana raha ny eto an-drenivohitra manokana no horesahina.