Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 11 mai 2024
Antananarivo | 10h46
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy nitsanga-menatra

mardi 19 août 2008 |  612 visites  | Penjy R.

Raraka avokoa ny atleta gasy nilalao tany Beijign. Midikaio, fa mangoron’entana, ary aty antanindrazana indray mijery ny lalao tohiny any amin’io firenena io. Tsy nampitsanga-menatra ny nahita ny ezaka nataon’ireto mpilalao ireto. Samy nisento tokana ihany koa ny Malagasy maro nahita ny anaran’ny Madagasikara, sy ny sainam-pirenena Malagasy, teo ampiangana nandritra ny hazakazaka 100 metatra misy fefy nataon’i Berliozy.

Midika io fa misentyo ho an’ny tanindrazana ny saina sy ny fo rehetra. Lalana iray ahafantaran’izao tontolo izao ny firenentsika ny toy ireny.
Mila dingana goavana noho izany ny lafin’ny fanatanjahan-tena rehetra, raha te-hisongadina eo anatrehan’izao tontolo izao. Fanohanana goavana amin’ny lafiny ara-bola sy fitaovana ary moraly no tsy ampy amintsika. Toy izany koa ny eo amin’ny lafiny kolontsaina. Sehatra iray tsy azo ambaniana io, satria ireo no maha-firenena ny firenena. Ao anatin’izao lalao atao any Beijign izao, dia lesona maro no azo tsoahina. Ny fandraisan’ny firenena isn’isany ho raharaham-pirenena ity fanatanjahan-tena ity. Toy ny nataon-tsika nandritra ny lalaon’ny nosy farany teo, ka nahazoan-tsika ny laharana voalohany teo amin’ny Medaly volamena.

Mihevitra ny maro, fa tokony hisy marim-pankasitrahana omena ireto atletantsika ireto izay nihazo an’i China, na dia resy aza isika. Ny antony, dia tsapa fa ireo efa kalaza lahy sy vavy maneran-tany o nikatroka tamin’iozy ireo, nefa tsy nampitsanga-menatra hoy ny mpitazana no vita. Ho famporisihana amin’ny manaraka ihany koa e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS