Tafapetraka avokoa ny filoham-pokontany manerana ny nosy, ka any amin’ny sefo distrika indray ny baolina hanendry izay olona afaka hiara-miasa aminy. Vita iny, ary hiroso amin’ny fifidianana ho depiote sy loholona ary ben’ny tanàna isika. Tsy tongatonga ho azy ny fanendrena sefom-pokontany sy ny fandravana haingana ny antenimieram-pirenena hoy ny mpitazana, ka zary mipetraka sahady ny ahiahy tsy hiavanana. Dia ho sanatria ve hoy ny hafa dia mbola hitranga hatrany ny olana isaky ny fifidianana izay nampitaraina ny maro ? Momba ireo antso nataon’ny hery rehetra mba hanovana ny lalàm-pifidianana mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny, dia tsy nisy mpihaino ary ninian’ny sasany tsy hita. Asa angaha mbola mety sy tsara ny misy amin’izao fotoana izao. Tsy izay anefa no atao maha-kivy, fa vanim-potoana tsara hiomanana izao, indrindra ny fametrahana ny olon’antoko isaky ny birao fandatsaham-bato, mba tsy hifanome tsiny lava eto isika mianankavy.
Tsy nisy mpihaino
lundi 23 juillet 2007 | 131 visites |