Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Pierre Houlder

Tsy nahavita ny andraikiny ny mpanohitra

lundi 19 mai 2008 | Naivo kely |  616 visites 

Tokony hanana ny tetika politika ny antoko sy ny mpanao politika rehetra. Ny mpanohitra dia natao hanitsy ny mpitondra eo amin’ny fitondrana fa tsy sanatria ny hanongana lava izay mpitondra amperin’asa no atao. Tsy ankasitrahako ny fitarihana olona hanongam-panjakana an-dàlambe satria io no namotika ny firenena hatramin’izay, ary tokony ahay haka lesona tamin’izay nitranga teto ny mpitondra.

Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Pierre Houlder tao amin’ny Aceem Radio omaly antoandro. Nambaran’ity mpitarika ny Arema ity fa tsy nahavita ny andraikiny ny mpanohitra, satria tsy manana sehatra afahany miteny sy maneho hevitra. Misy ireo manana hevitra tsara toa an’ingahy Germain Rakotonirainy fony fahavelony, nefa voabahana ny sehatra ahafany maneho izany hevitra izany. Toy izany koa ingahy Herizo Razafimahaleo, olona manana ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny politika na toe-karena, saingy tsy avela malalaka hilaza izany heviny izany. Kely finoana amin’ity fitondrana ity ingahy Pierre Houlder, satria raha vao nandray fahefana tamin’ny taona 2002 ireny ny filoha Ravalomanana, dia nambara fa afaka 3 volana dia hisy fiovana eto. 6 taona aty aoriana ve vao lazaina indray fa izao vao tena hanomboka ny fampandrosoana ? Momba ny hambaran’ny hafa fa tokony hiroso amin’ny rafitra tetezamita isika, dia nohamafisiny fa tsy misy tokony hitadiavan’ny mpanohitra seza amin’izao fitondrana izao. Io fitiavan-tseza io no efa nanimba hatramin’izay. Tokony hisy kosa anefa ny hevitra iraisana andatabatra boribory hanitsiana ny lalàm-pifidianana sy ny maro samihafa. Nanome lesona ny mpanao politika izay mihevitra fa ny hanoherana dia hanonganana mpitondra ihany koa ny tenany, satria raha tsy misy ny firaisankina eo amin’ny samy mpanohitra dia mbola samy mandeha samy maka ho azy no hita.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}