Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h54
 

Tribune libre

Fanambarana

Tsy misy izany « Fuite de Sujet » izany ny laza adina BEPC 2008

vendredi 13 juin 2008

Manoloana ny lahatsoratra izay nivoaka tao amin’ny Gazety Inona no Vaovao laharana faha-93 tamin’ny alakamisy 12 jona 2008, pejy 1 sy faha-6, mitondra ny lohateny hoe « Fanadinana BEPC : Miparitaka eran’ny tanàna ny laza adina », ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, taorian’ny fanadihadiana izay nataony, dia mitondra izao fanazavana manaraka izao :

- 1. Momba ny laza adina voalaza fa miparitaka any Mahajanga. Tena vaovao tsy marina io.

Toy ny fanaon’ny sekoly rehetra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana isan-taona, mba ho fanomanana ny fanadinana BEPC/ Seconde, dia manatanteraka fanadinana andrana na « BEPC blanc » ny sekoly rehetra manerana ny nosy. Misy « laza adina andrana » amboarin’ireo mpampianatra any amin’ireny sekoly samihafa ireny. Tany Mahajanaga manokana dia nisy olona nanao dika mitovy marobe an’ireny laza adina andrana ireny ka nanaparitaka izany sady nilaza fa io no laza adina tena izy.

Ary dia io ihany koa no taterin’ny mpanao gazety nilazany fa miparitaka any Mahajanga amin’izao fotoana izao ny laza adina BEPC.

- 2. Momba ny laza adina BEPC/Seconde 2008

Efa vita tanteraka ankehitriny ny fanomanana ny laza adina 2008. Mbola eto Antananarivo daholo ireo laza adina irao ary ambenan’ny mpitandro filaminana any amin’ny toerana manokana. Miandry ny fotoana anapariahana azy.

Entitra dia entitra ny fanarahamaso amin’ny fiambenana irao laza adina ireo mba tsy hisian’ny « Fuite ».

Koa antitranterinay etoana fa tsy marina velively ny filazana fa miparitaka any Mahajanga ny laza adina ho an’ny fanadinana BEPC/Seconde amin’ity taom-pianarana ity.

- 3. Mampitony ny sainareo mpiadina, ray aman-dreny, mpampianatra ny ministera fa manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany ny tomponan’andraikitra isan’ ambaratonga mba hahafeno ny fepetra rehetra ho fitazonana ny tsiambaratelon’ny laza adina.

- 4. Aoka isika tsy ho voarebirebin’ny mpanararaotra ka halaim-panahy hividy laza adina sandoka.

- 5. Mampirisika anareo mpianatra rehetra hifikitra hatrany amin’ny fahamarinana sy hifantoka ary hilofo amin’ny fanomanana ny fanadinana.
Dia mirary soa ho anareo mpianatra rehetra hiatrika amim-pahatoniana ny fanadinana BEPC/Seconde 2008.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS