Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy mbola tafita ny hafatra

mardi 22 avril 2008 |  541 visites  | Naivo kely

Hifantoka kely any amin’ny kolontsaina Malagasy ny lahatsoratra anio. Kolontsaina izay mitady ho very noho ny fitobaky ny kolontsaina vahiny be loatra eto amintsika. Zary diso tsara toerana be loatra eto ny haren-tsaina vahiny. Vokatry ny fanatontoloana miha-mahazo vahana eran-tany io. Tsy dia ratsy loatra ny manaraka sy mandinika ny an’ny hafa, fa ny fanariana ny soa-toavina maha-malagasy no mampalahelo.

Raha eo amin’ireny hira nataon’ireo zoky raiamandreny tany aloha, toa tsy tazana intsony ny ankamaroany. Firy amin’ny tanora antoky ny ho avy rahampitso no mahalala izany ? Raha ny hira vahiny anefa toa hay tsianjery izay mivoaka. Safidy io, nefa aoka ny fanabeazana ny tanora mba ho tafiditra ao ny fampahafantarana ireo harentsaina mba tsy aha-tompon-trano mihono ny taranaka aty afara. Inona no sakana tsy ameloma-maso ireny harentsaina ireny ? Azo heverina fa ireny no isan’ny maha-firenena ny firenena. Ny fitondrana ankehitriny dia hita fa miezaka ny hamelo-maso ireny harena ireny, nefa raha ny hita dia ny minisiteran’ny Kolontsaina toa kely ny teti-bola ao aminy raha mitaha amin’ny minisitera hafa. Izay no hilazana fa mbola tsy tafita ny hafatra. Isika rehetra anefa no antoky io, koa samia mitandrina mba tsy ho rendrika ao anatin’izao fifaninanana mahery vaika izao ny kolontsain-tsika Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS