« Ho avy ny fotoana hanehoanay ny tena zava-misy marina momba ny fiainam-pirenena. Tsy azo hirotoroana io, satria mila fandinihanana lalina vao miseho vahoaka ». Io no nambaran’ingahy Randrianarivony Edmond, izay depiote teo aloha lany teto an-drenivohitra.
« Miaiky izahay AVI fa reraka aloha hatreto, taorian’ireny fifidianana nisesy teto Madagasikara ireny. Hiseho indray izahay ato ho ato, ary tsy azonay hekena izao fahoriana mianjady amin’ny vahoaka izao ».
Ankoatry izay, dia nanambara ity mpikambana ao amin’ity antoko ity, fa tokony hazava tsara ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany toy ny ao Tolagnaro. Tena ny fasi-mainty tokoa ve no trandrahana ao, sa misy harena hafa toy ny berila sy ny emeraonda ? Tokony hazava ny vola alaina amin’izany, fa tsy atao safobe-mantsina fotsiny hilazana fa fasimainty avokoa no trandrahan’ny orin’asa QMM any. Ny morontsiraka ho potika, ary ny harena ho fongana. Inona no tena tombontsoa mivantana ho azon’ny vahoaka amin’izao ? Tokony ho hazavain’ny mpitondra ny momba ireo, hoy ity mpikatroka politika ao amin’ny AVI ity.