Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 17h56
 

Malagasy

Razakarimanana Ferdinand

Tsy leo politika ny vahoaka

vendredi 14 décembre 2007 |  618 visites  | Penjy R.

« Diso ny resaka mandeha manambara fa leo politika ny vahoaka malagasy raha raisina ohatra ny fihazakazahan’ny maro naneho ny safidiny ny alarobia 12 desambra teo. Tsy mana-tsafidy izy ka dia aleony mangina kanefa sendra ny olona heverina fa ahavaha ny olana mianjady aminy izy ireo ka iny nirohotra nandatsa-bato ho an’i Andry TGV iny ». Io no nambaran’ny PDS teo aloha teto amin’ny faritra Analamanga Razakarimanana Ferdinand, ary notsindriany fa fanairana ho an’ny fanjakana iny, tsy handidy hanapaka manoloana ny fiainam-pirenena. Tokony hisaina ihany koa ny aty amin’ny fanoherana satria misy amin’izy ireo toa tsy mijery afa-tsy ny tombotsoany manokana ka mahalikiliky ny maro, ary aza gaga raha toa ka tsy mampiraika ny betsaka izy ireo raha miteny. « Làlana iray nampisokatra ny masom-panahin’ny eto andrenivohitra ary aoka ho resena ny tahotra amin’ny sakana maro izay mety ho ataon’ny mpitondra, satria tsy misy tsy vitan’ny firaisan-kina toy iny latsa-bato farany teo iny », hoy ihany ingahy PDS teo aloha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS