Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h46
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hisy fahagagana

samedi 19 avril 2008 |  511 visites  | Naivo kely

Tapitra anio ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida ho loholon’ny faritra eto Madagasikara. Hiroso amin’ny latsa-bato ny mpifidy vaventy rahampitso alahady. Miandry izay ho loholona vaovao ny rehetra.

Tsy dia hisy fahagagana firy, raha ny olona hiakatra etsy amin’ny lapan’Anosikely no jerena. Tsy maintsy ho maro an’isa ao TIM, satria saika olon’izy ireo no handatsa-bato rahampitso. Midika izany fa ny isam-bato sisa isaina. Ny endriky ny filoha hipetraka ao dia efa resabe mandeha ny momba ny filohan’ny TIM Yvan Andriasandratriniony. Ny olona ho tendren’ny filoham-pirenena ihany koa dia efa samy miseho masoandro avokoa izy ireo. Izay tsy miteny matahotry ny tsy ahazo toerana. Tsy misy maha-ratsy izany satria politika no lalaovina, ary mahatsapa ny olona heveriny ho ahavita azy ny filohan’ny nosy. Aorian’io fifidianana io, dia tafapetraka avokoa ireo rafim-panjakana eto. Ho azo antoka amin’izay ve ilay fandrosoana tadiavin’ny vahoaka, indrindra fa ny mpiara-dia amin’ny fanjakana no tonga eo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS