Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hananan-kavana

samedi 15 septembre 2007 | Naivo kely |  191 visites 

Efa hisasaka ny herinandro voalohany hanaovana ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandida tsirairay, ary arakaraky ny handrosoan’ny fotoana ihany koa ny hikopahana fantsy ny mpifaninana amin’ny tena. Tsy ny fandresen-dahatra amin’ny Programan’asa izay ho atao intsony no hita, fa ny fanenjehan’olona, izay midika fa tahotra ho an’ny mpifaninana. Izay tsy nahazo ranondranony tamin’antoko iray, dia miharihary ny Palitao mivadika hanaovany, ka ny foto-kevitra nijoroany omaly nivadihany androany. Ny toerana tokoa tsy hananan-kavana, koa aoka samy ho mailo manoloana ireto kandida ireto, fa ny safidinao anio no hiantoka ny ho avin’ny faritra misy anao ampitso. Mandiniha lalina vao mandrotsaka vato iray ao anaty valopy, fa tsy misy dina hifanaovana amin’ny kandida io, fa ho an’ny tanindrazana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}