Tsy hisy fahagagana mety hampiova ny voka-bato any Mananara Avaratra sy any Bealanana intsony, raha ny tarehimarika azo avy any antoerana no jerena. Lavitra ny elanelam-bato azon’ny AME raha mitaha amin’ny an’ny TIM, any amin’ny distrikan’i Bealanana, ary toy izany koa ny eo amin’ingahy Zakahely sy ny TIM any Mananara Avaratra. Ireo tanàn-dehibe sy faritra be olona no efa voaray ny vokatra ka izay no ilazana fa tsy hampiova tarehi-marika firy intsony izay vokatra farany tonga etsy amin’ny ministeran’ny Ati-tany. Raha atao tomba-maso ity fifidianana ity, dia maro no nandika azy ho karazana sakana tsy hiakaran’ny mpanohitra etsy Tsimbazaza, ary mbola nisy iny didy mavesatra navoakan’ny fitsarana farany teo iny momba an’ingahy Zakahely izay voaheloka 30 volana sazy mihatra an-tranomaizina. Nampihetsika ny hambom-pony mponina tany antoerana ireny ka vao maika aza nitombo noho ny vato azon’io kandida io tamin’ny 23 oktobra ny azon’ny raha ny vokatra vonjy maika no jerena. Ny mpanara-maso ny fifidianana toy ny KMF/CNOE sy ny hafa dia vory lanona tokoa any amin’ireo faritra ireo ka ho sarotra ny mety hisian’ny hosoka. Hanao ahoana kosa ny mety ho tohin’ny raharaha aorian’io fifidianana io, satria ity depiote teo aloha ity dia mbola manana io raharaha mavesatra io eny amin’ny fitsarana. Ny tsy azo lavina aloha hatreto dia mbola mamim-bahoaka ny kandida natolotry ny AME any Bealanana sy Zakahely matoa mitarika amin’ny isam-bato mavesatra tahaka io voalaza etsy aloha io. Amin’ny kaominaly indray manarina, hoy ny mpanadrohadro.
Tsy azo tsipahina
samedi 17 novembre 2007 | 720 visites |