Faly ny maro, fa tonga ny mpitapôlaka. Izay nolalovany feno hipoka avokoa. Isan’ny VCD mandeha indrindra ny kapila mangirana navoakany « ino vaovao », satria tsara rafitra ny gadon-kira navoakany. Tsy nilàna fandefasana hira matetika
tamin’ny haino aman-jery ny hira vao malaza, fa tonga ho azy ao ambavan’ny maro. Ny antony, dia tsy nirototorotoana ny famoronana fa niangaliana an-taona maro. Tsy atao mahagaga ny fitiavan’ny olona azy, satria ireo hira tany aloha mbola miverina ao ambavan’ny maro. Izay no ilaina fitrandrahana ny gadona amin’ny kanto avoakan’ny mpanan-kanto, fa tsy sanatria izay manana vola ahafahana mandefa matetika ny hirany amin’ny radio na tele no
heverina fa hampalaza ny tena. Hira iray ny an’ny sasany no mba fantatry ny maro, nefa ny fampisehoana ao Antsahamanitra no maha-maika. Ataovy fakàna lesona i Rossy raha te-hanambola eo amin’ny sehatry ny kanto.
Fandalovan’i Rossy
Tsy atao mahagaga ny fitiavan’ny maro azy
mardi 27 mai 2008 |
| 946 visites