Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h10
 

Teny zato, kabary arivo

Tonga i Dada, mipirina ny ankizy

mardi 15 avril 2008 |  1104 visites  | Naivo kely

Hentitra i dada nibedy ny zaza maditra rehefa tonga avy niasa avy any ivelany izy. Nipirina niaraka ny vava ny rehetra. Hay rehefa ampitahorina, hoy ny mpitazana mahay mifitsaka ihany.

Io no fanehoan-kevitra heno teny rehetra teny, rehefa nahita ny filoha Ravalomanana hentitra amin’ireo minia ny hanakorotana ny tany sy ny firenena. Niaraka ny vava, dia tsy nahitana mpanao politika intsony nilaza hidina teny amin’ny 13 mey. Ny mpitandro ny filaminana ihany koa mba naka aina kely satria milamina ny tanana e.

Ny endrin-javatra toy iny no hilazana fa mbola mamy amin’ny mpanao politika ny miaina. Tsy ho gaga isika raha mafy toy izao ny adim-piainana, dia ny fitarainana any an-tokantrano sisa heno. Nitsapa ny alalin’ny rano iny ingahy Lecacheur, saingy saika nihatra tamin’ny ainy noho ny fandrenesana fa nisy nanafika izy ary voatifitra tamin’izany ny fiara nentiny. Ny mpitondra mandrahona, izay mitady hanimba ny fitondrany, ary ny mpanohitra mora mifitsaka. Tonga amin’ny fiteny mahazatra izy ity hoe horakoraka ny an’ny sahona fa Ravalo ihany no tompon’ny fanjakana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS