Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h16
 

Teny zato, kabary arivo

Toliara tsy miroro

mardi 1er avril 2008 |  705 visites  | Naivo kely

Tsy maintsy atomboka ny fivoriana izay efa nokasaina atao. Io no fantatra tamin’ny fanehoan-kevitry ny mpikambana Monima, raha voalaza fa tsy navela hanao ny fivoriany ity antoko ity.

Tompon’antoka amin’ny filaminana izahay, hoy ireo mpikambana, ka tsy tokony hidiran’ny fanjakana lalina ny fivoriana anaty trano tahaka izao. Ny fanatarena voninkazo eny amin’ny tsangambaton’i Dada Monja no tsy azo natao koa nahoana no mbola hiniana sakanana ny fivorian’ny antoko anaty efitrano mihidy ? Ny fitondrana any an-toerana anefa dia nitazona ny teny nomeny amin’ny tsy azo hanaovana famoriam-bahoaka na ivelan’ny arabe na anaty trano. Inona no hitranga ao Toliara tsy miroro anio ? Mino anefa isika fa hisy ny fandaminana iraisana mba hisoroana ny mety hitrangan’ny savorovoro. Tsy misy tsy vitan’ny fifandaminana e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS