Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 octobre 2025
Antananarivo | 01h19
 

Teny zato, kabary arivo

Tohizo ny lalantsika

mercredi 13 juin 2007 | Penjy R. |  229 visites 

Na dia nitohana izay tsy izy ary ny fiarakodia nihazo ny lalana mankany Ivato sy hiazo aty andrenivohitra, dia tsy sarotiny ny maro, satria ho tohizana ny lalantsika. Teny faneva nataon’izao fitondrana izao io, ary dia io hiarahana mahita io ny ezaka ato, ka isan’izany ny tetezana etsy Ambodimita. Ny mampalahelo fotsiny, dia adin’ny telo vao afaka miampita amin’io lalana io ny fiara ka maro no tara amin’ny fidirana na an-tsekoly io na ihany koa any amin’ny toeram-piasana. Mety ho voaroaka amin’ny asany ve ny diso fidirana ora telo aty aoriana ? Ny asa vita hono no hifampitsarana, saingy izay tratrin’ny vitan-dratsy amin’ny fandroahana aloha dia azy ny azy satria nisy io fitarainana io omaly voaranay, saingy ny ny lalantsika tsy maintsy tohizana e.