Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h51
 

Malagasy

Manjaka ny baranahiny

« Tohizo kely ny asa Ra-Faly »

samedi 15 décembre 2007 | Alphonse M.

Sempotra tanteraka ny mponina eto Antananarivo. Taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna dia manjaka tanteraka ny baranahiny ka samy manao izay saim-patany ny olona. Na eo aza ny didy aman-dalàna mandrara ny fivarotana amin’ny arabe sy ny toerana tsy natokana ho an’izany dia tsy te hahalala ny an-kamaroan’ireo mpivarotra madinika fa dia eo am-povoan’ny lalana izireo no mamelatra ny entany. Tsentsina tanteraka ny ao Analakely sy Behoririka ka mitohana ny fifamoivoizana. Mifanjevo ny mpiantsena, ny mpivarotra ary ny fiarakodia. Raha sendra tafiditra ao Analakely dia adiny iray eo ho eo vao tafavoaka tao. Tsy midika fa rehefa fety dia hanao izay danin’ny kibony akory ireo mpivarotra. Ireo posiposy moa dia mirenireny eran’ny arabe, tsy andro, tsy alina.

Ahiana tanteraka ny hahapotika ireo zaridaina tsara tarehy namboarina nandritra ireny Lalaon’ny Nosy ireny, satria saika feno olona daholo na hatreny amin’ny zaridaina. Raha ny feo mandeha dia misy mihitsy ireo an-dian’olona manao fanahiniana manapotika ireo zava-bita ireo. Tsy hoe akory rehefa tsy lany ny mpitondra teo aloha dia hopotehina ny zava-bitany. Tsia. Volam-bahoaka no lany tamin’ireny ka tokony ho saro-piaro isika rehetra fa indrindra ireo tompon’andraikitra. N’inon’inona fivoaran’ny toe-draharaha politika eto an-toerana dia ny manohy ny efa vita no tsara fa tsy hoe hanamboatra vaovao indray. Manainga noho izany ireo tompon’andraikitry ny kaominina amin’izao fotoana izao mba handray ny fepetra henjana mba hiarovana ny fananam-bahoaka. Mbola Atoa Rafalimanana Hery sy ny tariny no mitondra ny tanànan’Antananarivo mandrapahavitan’ny famindram-pahefana feno amin’Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany. Tohizo kely ny asa Ra-Faly, hoy ireo saro-piaro amin’ny fiarovana ny fananan’ny renivohitra. Ny olona no miova fa ny mponina sy ny tanàna mijanona eo ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS