Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h10
 

Teny zato, kabary arivo

Tohizo fa tsara

samedi 1er septembre 2007 | Naivo kely |  444 visites 

Tsy misy tsy mahatsapa fa ny fifidianana malalaka miainga any amin’ny safidim-bahoaka no làlana iray ahafahana sy hitarafana miaina ao anatin’ny demokrasian’ ny firenena iray, ka ny fifandim-biasan-toerana ao anatin’ny latsa-bato no no tena làlana iray hirosoana any amin’ny tany tan-dalàna. 1600 latsaka kely ny isan’ny olona nilatsaka hiady ny toerana 127 etsy Tsimbazaza, izay azo adika fa miaiky ny vahoaka 18 tapitra fa ireo no hisolo vava azy amin’ny fanaovan-dalàna raha tody soa aman-tsara eny an-dapa. Mafana ny vely kibay amin’ny an-katokin’ny fampielezan-kevitra, ka tsy hananan-kavana intsony ny raharaha, ary izay kely vola sy tsy avo vava dia eo no raisina, satria efa miraradraraka izao ny bala rora ho an’ny kandida tsirairay. Tohizo fa tsara ny fahafantarana fa làlana tsy azo hiodivirana ahazoana seza ny fifidianana, koa hitsahatra hatreo ve ilay fandrom-baham-pahefana eny an-kianja raha izao hamaroan’ny kandida izao no jerena ? Asa aloha fa efa leon’ny migadra koa ny sasany ka aleo angaha manaraka ny ara-dalàna.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}