Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h20
 

Tribune libre

Fanambarana

Toherina tanteraka ireo fanendrena nataon’ny vahiny

lundi 12 octobre 2009 |  2207 visites  | 12 commentaires 

Manao amboletra ankehitriny ny avy anivelany, ary dia manendry ny praiministra sy ny ministra tiany ho ao amin’ny governemanta malagasy.
Fanonganam-panjakana eto amin’ny firenentsika (« coup d’Etat ») tsotra izao no nataon’ireo vahiny nivory tao amin’ny Carlton, ary miara-manongam-panjakana aminy ireo malagasy mpiray tsikombakomba aminy (Atoa isany Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert, Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy avy).

Naverin’Atoa Andry Rajoelina sy ireo miara-dia aminy ho firenena tsy mizaka ny zony indray i Madagasikara (« protectorat »).

Tsy ekena ary toherina tanteraka ireo fanendrena (praiministra sy ny hafa rehetra) nataon’ny vahiny niaraka tamin’ny Malagasy mpiray tsikombakomba aminy, satria sady tsy ara-dalàna (illégal) no tsy ara-drariny (illégitime).

Tonga ny fotoana anoherana sy tsy anekena intsony ny fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny Malagasy. Manomboka izao dia tsy maintsy mitolona isika Malagasy tsivakivolo ary tsy maintsy resena ireo vahiny manjakazaka ary manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenentsika.
Antsoina ny Malagasy manerana ny Nosy hiray feo ary hanambatra ny heriny tsy hanaiky izao fanosihosena ny fiandrianam-pirenena izao.

Miantso Ny Vondrona miaro ny Fiandrianam-pirenena.

Miantso ny fikambanana sy ny olon-tsotra manerana an’i Madagasikara hiara-mitolona, ary tsy hampiato izany tolona izany raha tsy azo ny fandresena.

Na eto Antananarivo sy ny manodidina, na any amin’ny faritra samihafa dia antsoina ireo sokajy mbamina sarangan’olona samihafa hanatevina ny laharan’ireo miaro ny fiandrianam-pirenena :
ny tantsaha sy mpamboly izay fototra sy antoky ny fampandrosoana marina ny Malagasy
ny mpiasa sy sendikà samihafa
ny mpandraharaha malagasy isan-tsokajiny, toy ny CONECS sy ny hafa koa
ny tsy an’asa sy ny tsy manan-kialofana
ireo fikambanana maro (société civile) izay tsy manaiky ny fiankinan-doha
ireo olo be manerana an’i Madagasikara toy ny Ampanjaka, Tangalamena, Andriana.

Antsoina ireo miaramila ao amin’ny tafika, ireo manam-boninahitra lefitra, ireo manam-boninahitra rehetra, hiaro ny fiandrianam-pirenena, ho tena TANDROKA ARON’NY VOZONA.
Antsoina koa ny Praiministra mbamin’ireo olona ao amin’ny Governemanta izay tsy manaiky izao fanitsakitsahana ny Malagasy izao.
Raha bangoina amin’ny teny iray dia ANTSOINA IZAY REHETRA MAHATSIARO FA VOAHITSAKITSAKA NY FIRENENA ary voahosihosy ny zon’ny Malagasy handidy sy hanapaka eo amin’ny raharahan-tokantranony.

Tsy marina ny filazana fa tsy afa-miala amin’ny fiankinan-doha i Madagasikara. Misy vaha olana mahomby pôlitika, ekônômika, sôsialy, ara-panabeazana, hialana amin’izao fampahantrana izao ary azo ampiharina avy hatrany. Misy ny Malagasy manam-pahaizana isan-tsokajiny afaka mamolavola ny fitondrana ity Firenena ity ho amin’ny Fandrosoana marina.
Ny fahavononana sy ny finiavan’ny Malagasy tsy hanaiky ny didy jadona ataon’ny avy any ivelany miaraka amin’ireo teratany malagasy miray tetika aminy no hanova ny fizotry ny Tantara.

Antananarivo, faha 8 Oktôbra 2009

AKFM : Eric RAKOTOMANGA (SG)
OTRIKAFO : Rajaonah ANDRIANJAKA (Mpitarika)
MONIMA : Gabriel RABEARIMANANA (SG)

12 commentaires

Vos commentaires

  • 12 octobre 2009 à 07:37 | zandrygasy US (#1941)

    « Fanonganam-panjakana eto amin’ny firenentsika (« coup d’Etat ») tsotra izao no nataon’ireo vahiny nivory tao amin’ny Carlton, ary miara-manongam-panjakana aminy ireo malagasy mpiray tsikombakomba aminy (Atoa isany Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert, Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy avy). »

    ka tsy ry zareo vao avy nanongam-panjakana ve ireo milaza fa voahongana ireo e !

    • 12 octobre 2009 à 14:20 | Tsy Vendrana (#2417) répond à zandrygasy US

      Tsy ekena ny fiantsona mpanelanelana ataon’ny mpanao politika malagasy sasany.

      Tsy ekena ny fampidiran’ingahy Ratsiraka ny OIF ary lavina ny fiantson’ingahy Ravalomanana ny SADEC.

  • 12 octobre 2009 à 08:43 | ankadirano (#3351)

    Mahatsiravina sy mampandoha izao fanambarana sy fomba fihetsika izao !!!
    Dia tsy mba menatra ve ianareo ??!!
    Mba tena marina e !!!

  • 12 octobre 2009 à 11:42 | ikopa (#671)

    Na i Zafy, na ra8,na i Andry dia samy nandrombaka fahefana t@ alalan’ny fihetseham-bahoaka avokoa ;tsy misy maha diso ny filazana izany.Izay fiteny azy avy eo na fanonganam-panjakana, na putsch,na inona.Ny antony nitarika ny fitadiavana ny fiovana no samy hafa na ny olona mitarika izany fanovana izany.Tsy hoe akory rehefa manova tsy@ alalan’ny fifidianana dia fahotana avokoa. Raha tsy izany dia hatr@ « révolution française » t@ 1789 izay reny niteraka ny atao hoe ady ho an’ny zon’olombelona dia azo toherina ihany koa. Na ny fanjakana natsangan’i De Gaule taorianan’ny faharesen-dry Vichy sy ny nazi koa anie ka saika tsy neken’ny amerikana satria tsy « ara-dalana e.Saingy mipetraka indraindray ny atao hoe »absurdité du légal devant la légitimité de la rue".

    Koa eto dia mipetraka tokoa ny fanakianana ataon’ireo ankolafiny tsy manaiky ny fikiriana na faneren’ny GIC ny tsy maintsy handrvana ny herim-pon’ny vahoaka nitolona ho fandravana ny jadona sy ny ampihimamba nataon-dra8.

    • 12 octobre 2009 à 18:03 | fandresena (#299) répond à ikopa

      Ny olona kely saina no milaza fa nandrombaka fahefana Ravalo . Fampitahana ny Procès verbaux no natao ary nolavin-dRatsiraka . tsy maintsy natao ny fampitahana ny PV ary rehefa hita fa resy Ratsiraka dia tsy maintsy nandositra satria namono olona be dia be . Ataovy tsara ao anatin’ny loha fa NISY FIFIDIANANA tompko ny raharaha 2002 fa tsy fanonganam-panjakana akory . Ary tsy nisy firenekafa nitsabaka sy nanapaka . fa izao kosa dia tena fanoganampajanka mankany amin’ny fivarotantanindrazana no misy . TSY EKENA !

    • 14 octobre 2009 à 17:47 | ANATOL (#593) répond à fandresena

      DIA MBOLA MIARO ANDRA8 FOANA VE IANAO RY FANDRESENA,
      SA DIA MITAMPINA INONA LOATRA NY MASONAO TSY MAHITA NY ZAVATRA NATAON’INY ARANGAHY INY A,

      INY MIHITSY NO TENA MIVAROTRA TANINDRAZANA ARAKA NY VOALAZANAO.

      MAMPALAHELO MIHITSY IANAREO ZANAK’I BAINA RETO.

  • 12 octobre 2009 à 15:22 | hafatra (#1895)

    Tonga soa eto amin’ny fomba fanaovana politika malagasy .Izay tonga eo dia mivarotra ny firenena , ny tany, ny rano, ny akora amin’ny vidiny mirary dia mirary , eny fa na ny vahoaka aza dia amidy mora sy fahanan-dalitra mba hitadiavana tombon-tsoa manokana.
    Indrisy ry fireneko fa amidin’ireto tontakely amin’ny vahiny ny lova navelan’ny razana.
    Tsy mbola nisy na iray aza mpanao politika tonga teo amin’ny fitondrana ka nikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka .

  • 12 octobre 2009 à 15:42 | feno (#3356)

    Antsoina foana ny vahoaka rehefa misy zavatra mahataitra kanefa odiana fanina sy tsy rarahiana mandriatry ny taona, Aza manaiky re olona a !

  • 12 octobre 2009 à 18:10 | bema (#882)

    maninona ra nareo mpanao soni a reo aloha no mitolona volohany hoe ahitana azy , aleo ny vahoka sy ny miaramila hilamina , betsaka ny asan’ny miaramila aminy fandriampahelmana , aleo ny vahoka mba hipetraka fa nareo monima , akfm ary iza le fahatelo aloha no mandeha milahatra de hita eo ny tohiny

  • 13 octobre 2009 à 23:28 | miangaly2 (#217)

    Raha mahatsapa ianareo fa fanonganam-panjakana io mitranga io,dia tokony vao nanomboka ny amboletran’i Rajoelina dia efa tsy nanaiky ny iara-dia taminy ianareo !satria hatr’izay ka hatr’izao dia mbola tsy eken’ny firaisam-be eran-tany io HAT sy gvt nisy anareo io,ankehitriny kosa ianareo,misy ny olana mitranga aminareo samy ianareo,mikoropaka ,miantso ,mitady namana andrava io tarika tgv domelina io.fatra-pilalao firenena loatra ny panao politika ka any ,ny vahoaka no ianjadian’ny fahoriana ,potika ny firenena !ka mba sahino ihany

  • 14 octobre 2009 à 02:13 | Fafa (#2946)

    Raha ity fanambarana ity no jerena dia efa maina ny ravina ninanana ny an’ny AKFM sy Andry TGV. Ka maninona no tsy niala tao @ HAT aloha ilay SGn’ny AKFM ? sa efa niala fa izahay no tsy naharaka ? na sao tamana @ le mandray sôsy be na tsy misy asa aza ? hafa ihany ny « arriviste »

    Ny MONIMA raha vao maty i Monja Jaona dia nivaralila. Efa mba nahazo aina kely t@ Monja notendran’i TGV ho praiminisitra nefa izao dia mitagataga manawain’batana.

    Ary ny Otrikafo manao azy ho be hevitra fa tsy hita izay apoaka. Azavao tsara @ mpifidy ny hevitraero ialana @ vahoan’ny vahiny dia mirotsaha ho fidina e ! Raha mety @ vahoaka ny hevitrareo dia ho lany ianareo. Tandremo sao hevitra taingina an !!!

    Misaotra amin’ny fanambarana na izany aza.

    • 14 octobre 2009 à 17:42 | ANATOL (#593) répond à Fafa

      MAHITSY FIJERY IANAO RAMOSE A

      MAROMAROA NY TAHAKA ANAO DIA HO TONGA SAINA NY MALAGASY MARO
      FA TSY ILAY MPANARA-DRENIRANO FOTSINY

      OK