Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h09
 

Malagasy

Kabarin’ny filoham-pirenena

Toa tsy nampiraika loatra ny fanajana ny Lalàmpanorenana

mercredi 11 mars 2009 | Rakotoarilala Ninaivo

« Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara ory aminareo aho, ary tsapako ny fangirifirianareo ». Tsy dia nisy nahazo loatra ny fonosin’io fehezan-tenin’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana io. Niteny ny filoham-pirenena hoe fahatezerana ary fangirifirina. Maro ny tezitra noho ny fitifirana teny Ambohitsirohitra ny sabotsy 7 febroary 2009 lasa teo. Manana fangirifirina koa ireo naratra tamin’iny andro iny, ary ory ireo fianakaviana namoy hava-malala.

Naverina imbetsaka tao amin’ny radio sy fahitalavim-pirenena, ary ny radio Mada nandritra ny hariva ny kabary ho an’ny vahoaka malagasy omaly 10 marsa. Nahita ihany anefa ny be sy ny maro teny an-dalambe teny fa nanao fiheken-keloka ny Filoham-pirenena. Nijanona teo amin’ilay fiheken-keloka ny ankamaroan’ny famakafakana nataon’ny maro. Tsy dia nahataitra ny olona laotra ny fanajana ny Lalàmpanorenana notsindrin’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny fangatahany ny hitsaharan’ny asa fanakorontanana.

3 commentaires

Vos commentaires

  • 11 mars 2009 à 17:10 | fandresena (#299)

    na nahataitra natsy nahataitra vita ny adidiny ! be dia be ny Filoha nanao hadlàna miaro tsinjaka teo fa tsy mbola nanao faiken-keloka na iray aza.
    Na hiala izy natsy hiala eo dia lazaiko anareo fa nanao zava-tsoa be dia be teto am firenena iny lehilahy iny. Ny olona adala sy mikimpy sy be fialonana no tsy mahita izany.Noho ny fitiavany ny tanindrazany tsy hifamono sy hanjakan’ny frahtsay dia niaiky izay mety ho fahadisoany izy fa tsy hoe azy akory ny fahadisoana.Mbola dondrona loatra matsy ny ankamaroan’ny malagasy ka tsy mahaala afa-tsy ’oui’ Mr am vazaha . Fa ianao kosa aloha razanakolona dia tena hifankahita amianay ianao. mpivarotra tanindrazana alika kelin’i pape
    Ary tandremo fotsiny miala eo Ravalo fa ho hitanareo izany atao hoe coup d’état en série .

  • 11 mars 2009 à 17:18 | fandresena (#299)

    mbola frantsay sy ratsiaraka daholo no ao an-damosin’ny radavidson andriamparanye na dia ! amnistie no amnistie taml 2002.
    na jacques sylla mody mangina mody tsy manana nationalité frantsay io aza tsy azo itokisana io fa sady katolika no vazaha be menasofina.
    tadddiontsika am zay manomboka eto fa tsy misy ilàna katolika ho eo am fitondràna intsony mandrakizay . zanaky odon daholo , hatram zao tsy misy vondrona katolika Malagsy sahy manao fanambarana manohitra azy akory . sa matahotra tsy hiisy hampikonfesy ? Tsy aleo mifona mivantana amin’Andriamanitra sady mianatra mamaky Baiboly dia mahita ny laingan’i Odon ?

  • 11 mars 2009 à 22:55 | le naif (#325)

    Betsaka ny Malagasy tsy mahatakatra ny hevi-petsy ao ambadiky izao zava-mitranga eto amin’ny firenena malagasy izao. Araka ny fandinihina dia mbola tadiavinin’ny frantsay ho zanahina ny gasy satria maro ireo harena an-kibon’ny tany misy eto Madagasikara izay tian’ny firenena manankarena ho alaina. Nahita saribakolin’ny ntaolo ny frantsay ahafahana manankorontana ny filaminana sy handroba ny fanjakana ankehitriny. Ny mampalahelo dia tsy takatry ny ankabem-bahoaka ny zava-miafina ao ambadika izao korontana izao.
    Maro ny resaka mandeha fa manohana izao fanankorontanana izao ny karana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS