Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h35
 

Opinions

Tetezamita zarazarao anjakana

lundi 2 février 2009

Tetezamita. Film efa mpandeha eto Madagasikara io. Film miverimberina. Film horreur. Film adim-poko. Film zarazarao anjakana. Film kopaka isasahana. Film izay LaFrantsa Renimalala hatrany foana no mivoy sy mandamina azy avy aty ambadika. LaFrantsa Renimalala no mpanao ny mise en scène sy mibaiko ny rôle sy ny andraikitra omeny ny roa tonta.

Amin’ny Frantsay dia ny Merina “vitsy” an’isa no ataony tompon’ny fahefana ara-toekarena sy mitantana ny vola eto Madagasikara. Ary ny Tanindrana “maro” an’isa no ataony tompon’ny fahefana ara-politika sy mitantana ny fitondrana eto amin’ny Tanindrazantsika. Dia variana sy lany andro mifandrafy noho izany ny roa tonta. Mifandrafy ara-adim-poko.

(...)

Mahazatra

Rotaka 13 Mai 72. Ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel Merin-dahy no nasain’ny Frantsay nanao tetezamita hoan’ny Tanindrana PADESM Didier Ratsiraka. Dia nitondra taona 1975 ka hatramin’ny 1991 Ingahy Ratsiraka Didier.

Rotaka 10 Aogositra 1991. Razanamasy Guy Willy Merin-dahy no nasain’ny Frantsay nanao tetezamita hoan’ny Tanindrana PADESM Zafy Albert. Dia nitondra 1992 ka hatramin’ny 1995 ny Profesora Zafy Albert.

“Rotaka” Rova Manjakamiadana may 06 Novambra 1995. Norbert Lala Ratsirahonana no nasain’ny Frantsay nanao tetezamita niverenan’ny Tanindrana Amiraly PADESM Didier Ratsiraka teo amin’ny fitondrana. Dia nitondra teo indray Ingahibe Amiraly ny taona 1996 ka hatramin’ny 2001.

Nitetika ny mbola hitampikotra tamin’ny fitondrana Ingahibe Amiraly, mbola nilatsaka nofidiana izy tsinona ny desambra 2001, dia nipoaka indray ny ROTAKA 2002. Ny Jeneraly Merin-dahy Marcel Ranjeva no efa nomanina sy notetehan’ny Frantsay hanao tetezamita hoan’ny Tanindrana PADESM Francisque Ravony. (...) Saingy olon’ny Amerikanina sy olon’ny Alemanina i Ravalo ka tsy nanaiky lembenana. Naleony nanao tetezamita hoan’ny tenany ihany. Dia tafitany 1er tour dia vita ny baolina.

Tokana ny fifanarahany tamin’ny Frantsay. Noraisiny natao Praiministra nandritry ny 5 taona ny Tanindrana PADESM Jacques Sylla dia tsy henjana be loatra ny fifanankorontanan’ny roa tonta mpifanandrina. Dikany : tsy dia korontanin-dRavalo loatra ny tombotsoa frantsay eto Madagasikara, dia tsy korontanin’ny Frantsay be loatra koa ny fitondran-dRavalo.

Mihinam-barin-jaza

Henjana be anefa ny zava-nitranga. Nakipilin’ny tombotsoa Sinoa sy Kanadianina ary tombotsoa Amerikanina sy Japoney ary Alemanina alavitra be ny tombotsoa frantsay. Romotra noho izany i LaFrantsa Renimalala.

Fa ny tena olana goavana sy hadalana mihoam-pampana nataon’ny Prezidà PDG Ravalomanana dia izy variana loatra nanao ampihi-mamba sy nihinam-barin-jaza ary nanamafy orina fanjakan’olon-tokana. Hany ka nijaly sy niha-nahantra hatrany noho izany ny vahoaka, na ny vahoaka Merina na ny vahoaka Tanindrana.

Dia nipoaka tsy hay notohaina iny ROTAKA VIVA DEMOKRASIA MAMAKY MANGAZAY tamin’ny Alatsinainy-Talata-Alarobia 26-27-28 Janoary 2009 lasa teo iny. Manerana ny Nosy. Tsy tongatonga ho azy. Tsy afaka ny ho tongatonga ho azy fa tetika efa nomanina sy tsara rindra hatry ny elabe.

Mazava be indray izany izao ny tetiky ny Frantsay. Baikony hanao tetezamita indray ny Gasy. Dia ny Merin-dahy Andry TGV Rajoelina no ampiasainy manomana sy manao tetezamita hoan’ny Tanindrana PADESM Rolland Ratsiraka.

(...)

Mbola manana plan B sy plan C ary plan D ny Frantsay raha tsy mahomby ilay planina voalohany Andry Rajoelina miasa manao tetezamita hoan-dRolland Ratsiraka. (...) Mbola afaka tsara izany ny Frantsay mampiasa ny Merin-dahy Jeneraly Praiministra Charles Rabemananjara ohatra hanao tetezamita hoan’ny Tanindrana PADESM Pierrot Rajaonarivelo. Na ny Merin-dahy Jeneraly Ramarozatovo (BIANCO) hanao tetezamita hoan’ny Tanindrana PADESM Jacques Sylla izay Praiministra teo aloha no Filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Raha mody arahana izany ny fitsipiky ny Lalam-panorenana. Efa tsy ny Prezidan’ny Sénat intsony tsinona no 2ème personage de l’Etat tamin’ny nanefinefen’i Ramose Ravalo PDG an’ny Repoblika azy.

Tsy miova mihitsy ny tetika

(...)

Adim-poko miorina amin’ny firingan-kevitra hoe “Ny Merina tompon’ny toekarena sy ny vola ataon’ny Frantsay mifanandrina sy mifandrotika amin’ny Tanindrana tompon’ny Fitondrana politika” no rangory fototry ny afo amin’izany. Ka anjarantsika Malagasy ny mieritreritra sy manova izay “zavamisy” izay raha tena te-hanavotra an’i Madagasikara sy hapandroso marina ny Firenena tokoa isika.

Tsotra kely ny ala-olana raha misy ny finiavana hanatanteraka azy marina. Merina sy Tanindrana miray hina tanteraka miara-milofo mampiasa ny Fitondrana sy ny toekarena ary ny vola hamokarana hampiakarana sy hanatsarana tsy an-kiato ny farim-piainan’ny Malagasy mpiray rà sy mpiray tanindrazana tsy misy avakavaka sy tsivakivolo na Merina izy na Tanindrana.

Tsy am-bava sy ambony latabatra fotsiny, fa amin’ny alalan’ny ASA MIVAINGANA maha resy lahatra hita maso sy azo tsapain-tànana. Mora am-piresahana sy am-panoratana izany fa sarotra am-panatanterahana. Izay ny maha tolona ny tolona sy maha asa fampandrosoana ny asa fampandrosoana.

Belanto (nofintinin’i madagascar-tribune.com)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS