Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h12
 

Tribune libre

Taratasy misokatra

mercredi 5 mai 2010

Cergy, le 04 mai 2010

Ho an’Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ireo mpanaradia azy

Tompoko,

Miarahaba anareo amin’ny alalan’ity taratasy tompoko,

Tsy maharitra ny tena amin’ny maha an’isan’ny vahoaka Malagasy ahy na dia monina aty Frantsa aza, tsy mpanao politika fa manaraka kosa ny fiainana sy ny zava-misy rehetra aty an-tanindrazana.

Mandalo sy mivezivezy eto Madagasikara aho ary mahita ihany koa ny fivoaran’ny fiainana andavan’andron’ny vahoaka sy ny fianakaviana rehetra. Angamba tsy tsara intsony ny hamerimberenana izany satria efa hita miharihary toy ny kari-am-pamoloana ny zava-misy. Ka tonga dia am-bovonana no hilazako azy.

Raha tena tianao tokoa Andriamatoa Andry RAJOELINA ny hampandroso an’i Madagasikara malalantsika sy ny hiadanan’ny vahoaka Malagasy araka ny hitivanao azy sy araka ny heritreritanao azy, dia ataovy ny fifidianana malalaka sy madio, ary amin’ny alalan’ny fifidianana no halalanao na manaiky na tsy manaiky ny hitondranao ny firenena ny vahoaka Malagasy satria ianao no te-hitondra.

Raha ENY moa dia arahaba soa fa dia ianao izany no mpitondra, ary raha TSIA kosa, dia manao fifidianana vaovao indray ka hifidianana izay ho mpitondra, ary amin’izay dia ny vahoaka no tena tompon’ny teny farany fa ianareo kosa dia mpitondra fotsiny ihany, fa aza dia ampijaliana toy izao ny vahoaka satria tsy ny vahoaka Malagasy no nanao ny tsy nety ka hizaka izay valifaty izay tianareo hatao nohon’ny ambom-po be loatra.

Avelao re ny Malagasy no hisafidy izay hitondra azy.
Tsy hoe manao tsinontsinona ireo olona izay teny amin’ny 13 mai izay lazainao fa vahoaka Malagasy akory, fa maro ireo tena te-haneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana.

Mino aho angamba amin’izay fa hankatoavin’ny UNION INTERNATIONALE amin’izay fotoana izay i Madagasikara..

Tsy misy maha-vita tena eto, marina fa manankarena i Madagasikara ka mety hahavita tena ihany, kanefa amin’izao fotoana izao dia mbola lavitry ny afo ny kitay.

Araka ny voalazako tery ambony, dia tsy mpanao politika aho, ary olo-tsotra ka dia izay ato ampoko sy ato antsaiko no lazaiko.

Mbola tanora loatra isika ka tsy afaka hitondra ny firenena aloha fa mbola mila miandry.Tanora loatra ny fisainana ka tsy ampy traikefa, ka manjary manaotao foana, ka manjary ny vahoaka iray manontolo no mahita faisana ary na dia ny ho avin’ireo taranaka aty aoriana aza dia tsy misy ho hantenaina’ireo valala be mandry intsony, ary tena manao izay hihinanany fotsiny sisa ny olona.

Mitondra am-bavaka anao sy ireo mpanaradia anao aho Andriamatoa Andry RAJOAELINA mba hahatsapanareo tsara fa tena magirifiry ary miantra aman’aina mihintsy ny manjo ny Malagasy.
NY TOMPO JESOA HOMBA ANAO SY NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA

Mme Anne
Cergy

1 commentaire

Vos commentaires

  • 5 mai 2010 à 10:53 | mpitily (#1212)

    Tsara ny hevitrao saingy manahy aho fa tsy hanaiky an’io ny 3 mouvances noforonin’i Maputo raha tsy omena azy ireo aloha ny amnisties sy ny toerana be dia be nampanantenaina azy. Fitiavan-tena daholo no dikan’izany tompoko.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS