Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h02
 

Tribune libre

Taratasy misokatra

mardi 29 septembre 2009

Andriamatoa Andry RAJOELINA

Faly miarahaba anao ny tenako,

Manoratra ity taratasy ity aho amin’ny maha Malagasy ahy ary koa amin’ny maha Frantsay ahy toa anao.

Manaraka tsara ny raharaham-pirenena ny tena na dia aty an-tany alavitra aty aza, toy ireo Malagasy namana rehetra, ny tena dia tsy mpanao politika ary tsy tia politika mihintsy, kanefa kosa mahita ny toe-javatra misy ato amin’ny Firenena no antony anaovana izao taratasy izao. Ny hendry no anarina sy atoro hoy ny fitenenan-tsika Malagasy izay.
Raha nandinika sy nieritreritra ary namaky ireny taratasy mikasika ny fifanarahana tany Maputo ireny, dia anisany nanaiky izany ianao ary nanao sonia.

Ny mahagaga sy mahatalanjona dia maninona re tompoko no mandà sy minia tsy te-hahalala fotsiny tsotra izao izany ? kanefa anie ka misy avantage ho anao tao amin’ilay fifanarahana e !. Efa mba ho lasa SÉNATEUR À VIE ve re olona ka dia mampijaly sy manao tsinotsinona ny vahoaka Malagasy toa izao. Indrindra amin’izao taonanao izao ?
Maninona raha mba ianao ary no miala amin’ny maha-Président ny HAT anao, fa aleo i Monja Roindefo ho Praiministra eo ihany, sa tena tsy mety ireo olona ao aoriananao ireo ? Tadidio fa mivoaka ho mpandresy ange ianao raha maha-tanteraka izany e ! Sady amin’izay ange ilay fifanarahana toa izay mitondra amin’ity tetezamita ity ka tsy mahazo milatsaka intsony amin’ny fifidianana amin’ny 2010.

Aoka re avela ny hambo-po diso toerana Andriamatoa Andry RAJOELINA. Marina fa ianao no nitarika ny tolona , raha tsy nisy anao tsy nisy izao.
Azo lazaina fa tsara izany, kanefa hita fa mijaly sy mitrotrongy ny vahoaka, mijaly, tsy misy intsony ny sécurité, ny asa, etc ...., ary hiala amin’ny Comunauté Intérnationale isika. (Dia hitoka-monina izany ? pour le moment angamba tsy mety).

Ka mandiniha re tompoko, aza ampijaliana ny MALAGASY, marina fa ny taranakao sy ireo mpanara-dia anao dia mety ho azonareo antoka ny ho aviny. Fa ny an’ireo vahoaka madinika tsy afa-manaotra, ho aiza izy ireo, na ny adi-tsain’ireo Ray aman-dReny manahy ny ho avin’ireo taranany aza.

Marina ihany koa fa ilaina isika tanora hitondra, eny mety mba mampiova zavatra, kanefa marina ihany koa fa isika tanora dia mbola tsy dia ampy expérience loatra (na dia efa nipetraka taty Frantsa aza ianao) ka manjary tsy mandeha amin’ny laoniny ny zavatra rehetra.

Tena manana ny fikasana tsara ianao ny hitondra an’i Madagasikara ambony, kanefa ny fandeferana ihany koa sy ny fijerena lavitra ary tena arahina fitiavana sy fatahorana an’Andriamanitra ary miaradia amin’ny JESOSY ary manaiky azy ho mpanolo-tsaina anao, no hahalasa lavitra an’i MADAGASIKARA MALALANTSIKA.

Toro-hevitra omena anao, aleo olon-kafa tsy avy amin’ny 4 mouvance (Didier RATSIRAKA, Zafy ALBERT, Marc RAVALOMANANA ary Andry RAJOELINA) no hitondra ny tetezamita, ary amin’izay tsy misy ny fitongilanana.

Dia mino sy manantena fa mba ho dinihinao izao teny izao, fa raha tena manana marina ny FITIAVAN-TANINDRAZANA ianao dia mametraka ny hambo-po marina ary mijery ny hahasoa ny rehetra no tanjona.
Dia mirary soa ho anao sy ny ankohonanao, ary indrindra ny vahoaka MALAGASY ihany koa.

Mme Anne
Paris

11 commentaires

Vos commentaires

  • 29 septembre 2009 à 07:36 | zandrygasy US (#1941)

    Mme Anne,

    Mino aho fa tsy hanome tsiny ahy zandrinao ianao raha hanao fanamarihana vitsivitsy @ tsipelina @ty taratasinao ity aho.

    tany lavitra (tany alavitra)/firenentsika (firenenan-tsika)/ anie (ange)/ hambom-po (ambo-po).

    Asa na nohon’ny maha aty an-tany lavitra aty ny tenako angamba ka zary manimanina ny teny malagasy e !

    Miombon-kevitra tanteraka kosa @nao @zay voalaza anaty ny taratasy.

    Misaotra.

    • 29 septembre 2009 à 09:44 | simple cytoyen (#1855) répond à zandrygasy US

      Aza dia mitsikera @ tsisy dikany ry zandry, ny vontoatiny vakiana, rehefa azonao dia ampy izay
      Io fandraisana an-tendrony io ihany no mahatonga fifanolanana !!!!!

    • 29 septembre 2009 à 15:26 | Rains (#3277) répond à simple cytoyen

      Miarahaba antsika rehetra,

      Mba nampalahelo ahy ihany ny valin-tenin-dRamatoa Anne taorian’ny fanitsiana ny tsipelina nataon’ny « zandry ». I « zandry » tokoa ve no mandray an-tendrony ? Sa nanaraka ny hoe « ny hendry ihany no anarina » ?

      Nahafaly ahy Ramatoa Anne ny lahatsoratrao, indrindra ny hoe malagasy monina any Frantsa manoratra amin’ny teny malagasy, izay tranga mahalana dia mahalana. Nefa kosa ilaina ihany angamba ny mifanoro amin’ny mety ho fahadisoana. Ary ny afaka atoro amin’ny madinika indrindra angamba no mandray lesona amin’ny toe-javatra lehibe, ary afaka mizara fahalalana.

      Zava-dehibe maha-firenena ny firenena ny teny, ka tokony hajaina ny fitenenana sy ny fanoratana azy. Ary amin’ny sehatra ifanakalozana tahaka izao, manana ny anjara andraikiny ny Tonian’ny gazety, izay tokony ho nanitsy angamba raha ny fiheverako azy vao nanapariaka, indrindra amin’ny maha fitaovana fanabeazana ny gazety.

      Dia miala tsiny aminao aho Ramatoa Anne raha hanampy hoe traikefa ny dikan’ny expérience, ary afaka tsy manortra ianao hoe « pour le moment » fa « amin’izao fotoana izao » no soratanao.

      Misaotra antsika rehetra.

  • 29 septembre 2009 à 12:23 | Tia tanindrazana (#349)

    Tsara ny fotokevitrao ramatoa na rangahy ary deraina ianao manao alanenina @ izao fanoratana izao.

    Izaho aloha mahita fa tsy hiraharaha izao ingahy io satria efa lasa lavitra be @ fifikiran-toerana. Raha jerena ny misy sy nisy teto Madagasikara dia ingahy Ramanantsoa irery no nanaiky nametra-pialana rehefa voan’ny pression.
    Ny hafa rehetra dia tsy maintsy t@ herisetra vao niendake teo.

    I Zafy angamba no mba demokraty ary nanaiky niala mora rehefa resy t@ fifidianana.

    Amiko dia tsy hiala eo mihitsy i Andry tgv sy Monja na ho faty noana daholo aza ny ankamaroan’ny olona , na hisy rà mandriaka sy fitifirana toy ny any Guinéen indray aza, na hisy inona na hisy inona, satria io toerana io no tena fikirin’ireo mafy dia mafy ary raha mbola tohanan’i lafrantsa sy ireo miaramila mpikomy ireo izy ireo dia mbola mahatoky tena hatr@ farany.

    Enga anie ianao no mety handresy lahatra azy @ ity taratasy ity, fa amiko dia toa handeha @ gidragidra be lavitra noho izay efa nisy teto vao mipitsika eo ireo.

    Rehefa misy miaramila mivadika @ ireo CAPSAT ireo vao mety mitsimbadika ny toe-draharaha. Io indrindra no atahorany ka mety itadiavany fanampiana @ miaramila faratay(français) sy @ dédé Ratsiraka.

    Mivavaha hoan’ny tanindrazana fa ho enjana izy ity.

  • 29 septembre 2009 à 12:46 | mpitily (#1212)

    Aza variana @ izany resaka Maputo izany isika malagasy. Tsy ny Maputo no tanjona fa ny hahatongavana any @ repoblika faha 4 izay iriana fa ho ara-drariny sy manaja ny mahamalagasy kokoa noho ireo teo alohany. Maputo izany dia moyen iray noheverina fa nety nahatongavana @ ilay tanjona fotsiny.

    Iaraha-mahita izao fa au forcing fotsiny no namoahana an’iny Maputo I iny satria kay izany ireo ankolafy 4 samy nanana ny interprétation-ny fa tsy i Andry irery akory.

    Tsy tonga volana iny Maputo I iny ary feno fitaka sy fihatsarambelatsihy ! I Andry sy Monja mihevitra fa mifanaraka @ iny izao nataony izao ; Ravalo indray mihevitra fa midika iny fa tsy ho i Andry sy Monja no ho mpitarika ny transition ary ny mouvance-ny no tokony ho leader sy maro an’isa ao @ gouvernement (plus de la moitié des ministères) ; Ratsiraka sy Zafy indray dia mihevitra fa tokony zaraina mitovy ny isan’ny ministera azon’izy efatra izany hoe mahazo 7 avy ! Ka ny an’iza no marina ary ny an’iza no diso ?

    Raha mamaky ny accord Maputo I ianao dia samy tsy misy voalaza mazava ao ny momba an’ireo tompoko fa vague be sy laconique tsy misy ohatra an’izany izy iny ka izay no nahatonga ny hoe tsy maintsy nasiana Maputo II tato aoriana keliny kanjo moa teo dia vaky ny tsy fifanarahan-tsain’izy efatra.

    Ny hany mampiray saina ny mouvances 3 hafa ange dia ny fankahalany an’i Andry+Monja sy ny fitiavan-tseza matsiro (dixit Thubert par ailleurs) e ! fa iza moa isika no sahy hilaza fa raha ity hono ka hanaiky hiala tokoa i Andry+Monja dia hilamina tsara ny fampiharana an’i Maputo I ? Olona mifanipaka saina sy foto-kevitra ireo ve dia hahita consensus rahoviana ?

    Mba asaivo avoakan-dry zareo 3 aza hoe ny firafitry ny fitondrana araka ny heviny ? aza asiana anaran’olona aloha fa anarana mouvance ihany. Ohatra : Filoaha = M X, Filoha lefitra = M Y, PM = M Z, VPM 1 = M W, ... Ministère de l’intérieur = M ? ...

    Nahare mantsy aho hoe efa nanandrana ny nanao izany izy ireo tany Ivandry (Sénat) tany fa nirava-maina satria tena tsy nitovy fijery e, toa saika nifampikasi-tanana mihitsy aza hono nony farany ! A vérifier SVP !

    • 30 septembre 2009 à 18:22 | Luba (#3292) répond à mpitily

      angamba i mpitilky bala maso loatra ka tsy mahita ny fahoroan’ny gasy @ zao fotoana zao tsony e ! s le mahazo ranondranony @ alaheo sy ny hatsembohan’ny hafa @ zao koa ? de i bema koa bemarenina loatra ka tsy maheno ny repression sy ny toraka grenady ataon’ireo miaramila tsy mataho-tody ireo !
      demokrasia oe..... bla bla bla fotsiny ! fitiavan-tseza no betsaka ! arabaina ry comandant charle ( lietnant colonel manko e) fa niakatra grady ary nahazo haza be vaovao indray hotsetsafina an ! JIRAMA : de tantely afa-drakotra koa moa zany io zao ko ! refa ritra sy matsatso de ariana de mitady hafa indray hotsetsafina e !
      Boribory ny tany, Ary Andriamanitra tsy andrinareo andrinay ihany e !
      zany andry kely an ! mihinàna aloha fa ny ny faty tsy hitahita ! hanody anao ny goavy manta aveo

  • 29 septembre 2009 à 14:35 | par ci par la (#1470)

    bonjour à tous

    100% de même avis que vous madame !

    c’est des avis pleins de sagesse comme les votres qui manque dans cette situation de haine !

    bon courage

  • 29 septembre 2009 à 16:15 | ratiarivelo (#131)

    TRAFON-KENA HO AN’I ANDRY RAJOELINA SY TROPINY IO KA AZY SY NY TROPINY ARY IREO PARTIS POLITIQUES MPIJAPY NO MIERITRERITRA ??????????? MASINA NY TANINDRAZANA. (NY AMBOA RAZANA IHANY NO MIZIRIZIRY°

  • 29 septembre 2009 à 20:10 | bema (#882)

    marina ny anao mme , ny hendry no anarina , betsaka ny very seza sy very 4*4 very villa de manao zo rehetra zao anakorontanana , tsy efa ampy anareo mpanakorontana reo ny cotellette efa nohaninareo isan’andro mampatavy be anareo reo , ARETINA DAHOLO ANIE IO TAVY IO E , aleo ny vahoka gasy mba hihinana ny anjarany tadidio fa mihodina ty tany ty ,

  • 30 septembre 2009 à 13:59 | rafra (#3290)

    TENA MARINA ARY TENA VOAFEHINAO DAHOLO NY MARINA REHETRA TOKONY
    HAMBARA AMIN’ ATOA ANDRY FA DE ANJARANY RAHA HANDRAY FANAPAHEKEVITRA IZY
    TENA TENIN’OLONA TIA TANINDRAZANA NO NAMBARANAO
    ANGAMBA AMIKO REHEFA TSY HIHAINO IREO TENY REO IZY DE ANGAMBA KOSA SAO DIA ISIKA NO HANDRAY FANAMPAHAKEVITRA HAFA

  • 1er octobre 2009 à 13:01 | tania (#102)

    Mino aho fa Mme Anne dia manaiky tsara ny critique, Mr ou Mme Rains . Manampy ny nolazain’i Mme Anne aho, ireo mpanao politika rehetra ireo na iza izy na izy dia mitovy lenta amin’ireo Mafia. Mpamono olona, mpandroba, maty eritreritra tanteraka. Mihevitra ve ianareo ireo fa haharitra mandrakizay eto amin’ity tany fandalovana ity e ?. Jereo izany izy hoe fandalovana , mety misy hamaly hoe amin’ny maha-fandalovana azy indrindra no hanararaotana azy koa. Kanefa mba jereo ny hafa, indrindra fa samy Malagasy izao, ary mba matahora an’Andriamanitra, mbola misy anie ny fitsarana farany e !, ny 99 jours no anareo ireo fa 1 andro izay tena mamy indrindra no ho an’ireo vahoaka Malagasy izay mijaly, ary izay nametraka ny fiainany amin’ ilay Tompo ny Tompo sy Mpanjaka ny Mpanjaka. Hoy angamba ny sasany maninona no misy ary izao ? satria natao ho hisy izao toe-javatra izao handinihan-tena sy hamatarana izay tokony ho aleha.
    Mba mieritreta ry mpanao politika ! (mety tsy ny rehetra angamba fa ho an’ ireo izay tena maty eritreritra, ny sasany aza moa miafina ao ambadiky ny maha Mpitandrina na Pretra azy, tena mampalahelo mihintsy ny toe-tsaina)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS