Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h20
 

Malagasy

Tapatapany

mercredi 11 février 2009 | Rakotoarilala Ninaivo |  1326 visites 

 FARITRA ANALAMANGA : Distrika Antananarivo Renivohitra.

Ny 10 febroary 2009 tamin’ny 01 ora maraina teny Antanimena dia tratran’ny zandary mpanao patrouille (GPT Analamanga sy ny CIE Imerina Centrale) ireo mpandroba saika hamaky ny DMT PHOTO. Voasambotra ireo jiolahy teto ary efa atao famotorana ao amin’ny Brigade Betongolo.

 FARITRA IHOROMBE : Distrika Ihosy : fanafihana

Ny 08 febroary 2009 maraina dia saron’ny mpitandro filaminana, tao Mangatokana Adohan’Ilakaka, ny fikasan’ny dahalo hanafika trano fivarotana. Maty vokatry ny hetsika nataon’ny zandary ny iray tamin’ireo dahalo nikasa handroka ireo ary ny roa voasambotra niaraka tamin’ny FC anakiray teny aminy. Mbola tsy nisy zavatra very.