Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h02
 

Teny zato, kabary arivo

Takaitra ny valin’ny vola be aloa amin’ny Jirama

jeudi 29 mai 2008 |  568 visites  | Naivo kely

24 ora no fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Jirama. Na ora roa monja aza io, dia efa hiteraka faty antoka amin’ity orinasam-panjakana ity. Voalaza fa ao anatin’ny fanarenana isika izao, ka tamin’io, dia ny saran’ny jiro sy ny rano no nampiakarina. Nahatratra hatrany amin’ny 30% ny sandan’io fiakarana io, ka na dia hita aza fa tsy zakan’ny isan-tokantrano, dia nambara fa ny antsika eto Madagasikara no mora indrindra ny vidiny aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indianina.

Dia nangina ny vahoaka, satria fanatsarana zavatra no atao. Mitokona indray ry zalahy sy zavavy fa voakitikita ny tombontsoa tokony ho azy ireo. Ny famindran-toerana izany. Tsy mbola tonga any amin’ny tokantrano ny faktioran’ny Jirama izay ahiana hitambatra be ka tsy ho voahefa indray. Ho tapaka ny jiro sy rano raha tsy voaloa io.

Dia ho takaitra toy izao ve ny valin’ny vola be aloan’ny mpanjifa any amin’ny Jirama ? Ny delestazy saika isan’andro teo aloha aza efa mangidy, nefa dia izao sahady indray no mitranga. Sa tsy maintsy mandefitra hatrany ny mpanjifa ? Asa na hanaiky ny hifampidinika ihany ny mpampiasa fa hatreto aloha dia samy mbola mitazona ny teny nomeny ny andaniny sy ny ankilany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS